Talata 25 Febroary 2025

Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny eo aminy rehetra, Izy no Tompon’ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tànana, sady tsy mba tompoin’ny tànan’olona toa mila zavatra, fa Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofonaina ary ny zavatra rehetra. Asan’ny Apostoly 17:24-25

 

Andriamanitra toa inona no tsy tianao hananana ?

Angamba ianao tsy te hanana Ilay Andriamanitra noresahina be loatra taminao nandritra ny fahazazanao ; na Andriamanitra mpila voa tsy ary, mpaneritery, hanakantsakana ny fahalalahanao ary hanohintohina ny fivelaranao. Angamba ianao tsy te hanana Andriamanitra hanidy anao ao anaty antokom-pivavahana iray, na hitanao ho vao mainka hitondra olana fa tsy vahaolana.

Raha ny marina dia olona maro no mandà an’Andriamanitra, nefa tsy tena mahafantatra Azy akory. Ny Andriamanitra henony noresahina dia Andriamanitra noforonina antokom-pivavahana na fisainan’olombelona. Miely fatratra ireo lazaina ho fahamarinana momba an’Andriamanitra, ary ny tsirairay dia mihevitra fa manan-dalana hisafidy izay metimety indrindra aminy. Nefa zava-dehibe fototra ho an’ny tsirairay ny mihaona amin’Ilay Andriamanitra tokana sady marina. Angamba Izy heverinao ho tsy hay hatonina ?

Io Andriamanitra lavorary tena ilain’ny olona tsirairay io anefa dia tsy te hitoetra ho tsy fantatra (jereo Asan’ny Apostoly 17:23). Mifanohitra amin’izany aza, fa naneho ny tenany tamin’ny olombelona tamin’ny fomba maro Izy :

— Izao tontolo rehetra misy antsika izao dia vavolombelona mampiharihary ny herim-pahariany, araka ny maha Andriamanitra Azy.

— Andriamanitra dia miteny mivantana amintsika amin’ny alalan’ny Baiboly, izay Teniny.

— Andriamanitra dia tonga nofo tao amina olona iray, Jesosy Kristy, Ilay „Andriamanitra marina” (1 Jaona 5:20).

Ny fanaovana tsinontsinona ireo fanambaran’Andriamanitra ireo dia tena tsy firaharahana goavana. Io Andriamanitra Tsitoha sy feno fitiavana io, Izay nanatona tena akaiky antsika, dia maniry ny hanatonanao Azy. Tianao ve izany ?