Alatsinainy 24 Febroary 2025

Tsy hita ankehitriny ny mazava, izay mamirapiratra any amin’ny rahona : nefa raha mandalo ny rivotra, dia mampisava azy ihany izany. Joba 37:21

Hitaraina amin’Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia amin’Andriamanitra Izay mahatanteraka ho ahy. Salamo 57:2

 

Rahona midadasika

Tamin’ity marainan’ny ririnina ity, ny lohasaha dia nifoha notataovan-drahona iva sy matroka. Nanapa-kevitra izahay hanararaotra ny rivotra madio any amina tobim-pitsangantsanganana avo toerana iray mifanakaiky amin’ilay nisy anay, satria mampiseho masoandro mamiratra tanteraka, any, ny fakan-tsarimihetsika mandefa sary tsy tapaka amin’ny internet. Torovana izahay mandeha fiara mamaky rahona be ao anaty zavona matevina. Nitebiteby ny ankizy : „Dada a, mino ve ianao fa tsara ny andro any ambony any ?” Nampitony azy ireo aho, nampahatsiahy azy ny sary asehon’ny fakan-tsarimihetsika. Nony farany dia tafavoaka ny zavona izahay, ka nahita avy atỳ ambony, rahona midadasika rakotra hazavana. Ry kristiana ! impiry moa isika no difotry ny fitsapana, izay tahaka rahona matevina manakana antsika tsy hahita ny tanam-pitiavan’Ilay Raintsika any an-danitra ! Izy no mitantana ny zava-drehetra mitranga eo amin’ny fiainantsika, mba „hanisy soa anao any am-parany” (Deoteronomia 8:16) ; Izy no mandanjalanja tsara ny fitsapana, araka izay afaka ho zakantsika ; Izy no Ilay tia antsika. Noho izany, tahaka fakan-tsarimihetsika any an-danitra, ndao hanopy am-pinoana ny masontsika any amin’Ilay manome toky antsika, any ambony rahona any, Ilay mifehy tanteraka ny fiainantsika, ary te hameno ny fontsika amin’ny fahazavany sy ny fitiavany. Matroka ve ny fiainana — Eo imasoko indraindray ? Manala ny aloka rehetra Ianao, — Ry Mpamonjy be voninahitra ! Afaka mahita ny famirapiratanao aho — Any ambony rahona : Mampahery ahy ny fijerinao — Ary mameno hasambarana ahy.