Alahady 23 Febroary 2025
Ary rehefa afaka izany, dia fantatr’i Jesosy fa efa vita ny zavatra rehetra tamin’izay ; mba hahatanteraka ny Soratra Masina, dia hoy Izy : Mangetaheta Aho. Ary… nisy sipaonjy feno vinaingitra notohiziny tamin’ny hysopa ka nataony tamin’ny vavany. Jaona 19:28-29
Ny hetaheta dia anisan’ireo fijaliana ara-batana mafy indrindra, ho an’ny olona homboana eo amina hazofijaliana. Ilay Mpahary ireo loharano, Izay tonga olona, dia nahatsapa tao amin’ny tenany ny hetaheta be iaretan’ny olona voahombo eo amina hazofijaliana.
Rehefa nifarana ireo ora nahafoizan’Andriamanitra Azy teo amin’ny hazofijaliana, dia niteny Jesosy, mba hahatanteraka ny faminaniana ao amin’ny Testamenta Taloha, hoe : „Mangetaheta Aho”. Nomena vinaingitra Izy hosotroiny, natolotra tamina sipaonjy notohizina tamin’ny rantsana hysopa. Tanterak’i Jesosy tamin’ny antsipiriany rehetra ny voalazan’ny Tenin’Andriamanitra hoe : „Vinaingitra no natolony ahy hosotroina, raha nangetaheta aho” (Salamo 69:21).
Fa ny teny hoe „Mangetaheta Aho” dia manambara ihany koa ny hetaheta mafy ara-panahy tsapan’i Jesosy tao am-pony, taorianan’ny nandalovany ireo ora namoizana Azy.
Milaza izany hetaheta lalina izany ny teny ao amin’ny Salamo sasantsasany : „Tahaka ny diera mihanahana maniry ny rano an’ony no anirian’ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô. Mangetaheta an’Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona ; rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ?” (Salamo 42:1-2). Ary koa : „Ny lelako miraikitra amin’ny lanilaniko” (Salamo 22:15).
Ny fiombonana amin’Andriamanitra no fahasambaran’i Jesosy, ary ireo ora telo nahafoizana Azy dia „nahamaina” ny fanahiny, mihoatra noho izay hay lazaina.
Eny, nangetaheta ny Mpamonjy, mba hahafahany manome, nanomboka teo, ny ranon’aina ho an’izay mangetaheta. Feno fitiavana Izy, ka miantso anao izao, hoe : „Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro” (Jaona 7:37). Ny Baiboly dia mifarana amin’ny fitaomana manetriketrika hoe : „Aoka ho avy izay mangetaheta ; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina” (Apokalypsy 22:17).