Asabotsy 22 Febroary 2025
Noana sy sasatra ary mangetaheta atỳ an’efitra ny vahoaka. 2 Samoela 17:29
(Hoy Jesosy :) Na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay ; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay. Jaona 4:14
Ao amin’ilay tantara an-tsehatra antsoina hoe „Caligula”, i Albert Camus dia manoritsoritra amperora iray mijaly noho izy mangetaheta zavatra fanaperana sy tsy mahatakatra ny tontolo misy azy, izay lazainy fa tsy misy fotony. Na teo aza ny ezaka rehetra nataon’i Caligula, dia tsy hitany izay dikan’ny fiainany, toa tsy misy tsirony sy tsy misy ilana azy avokoa ny zavatra rehetra. Ao amin’ny faramparan’ny tantara dia nanontany izy hoe : „Aiza no hanalako izao hetahetako izao ? Fo inona ary andriamanitra iza no hanana ny halalina farihy ho ahy ?” Saingy tsy nisy valiny ny fanontaniany.
Angamba isika mihevitra ny fiainantsika ho manjombona, ho tsy misy tanjony. Isika koa angamba mahatsapa io hetaheta io. Mangetaheta inona isika ?
„Mangetaheta an’Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona”, hoy ny mpanao ny Salamo 42. Miresaka io hetaheta ara-panahy io ny Baiboly, ary mitondra vahaolana. Jesosy dia nanatona vehivavy iray tsy afa-po teo amin’ny fiainana, ary nanolotra azy rano hahatonga azy „tsy hangetaheta [intsony] mandrakizay”. Mbola hiteny koa Izy hoe : „Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro” (Jaona 7:37). Jesosy no io loharanon’ny rano velona io, izay hany afaka manala hetaheta antsika.
Fantatr’Andriamanitra ireo adintsika, ireo fisalasalantsika, ireo zavatra ilaintsika andavanandro. Ny rano tiany hamenoana antsika dia loharano tsy mety ritra, azo isotroana maimaimpoana, natao ho an’ny olona rehetra. Tena ilaintsika io loharano io, satria tokony ho tsapantsika fa izao tontolo izao dia tahaka taniefitra, tsy mahay manome fahafaham-po antsika. Raha mandeha irery ao amin’izany taniefitra izany, dia azo antoka fa hanjary maina tanteraka. Mifamadika amin’izany kosa, ireo izay matoky an’Andriamanitra dia afaka manambara, toa an’i Isaia momba ny Zanak’Israely, hoe : „Ary tsy nangetaheta ireo tamin’ny nitondrany azy tany an’efitra” (48:21).