Zoma 21 Febroary 2025
Efa nanao izay azony natao izy. Marka 14:8
Ary izay mahatoky amin’ny kely indrindra dia mahatoky koa amin’ny be. Lioka 16:10
Olona maro no resahina ao amin’ny Baiboly noho ireo zavatra nataony, izay toa tsy dia miavaka. Tsy fantatry ny mpiara-belona taminy ireo olona ireo, nefa fantatr’Andriamanitra tsara, ka nosoratany anarana ao amin’ny Teniny. Na bitika toy inona aza ny asa nataon’izy ireo, dia manan-danja eo imason’Andriamanitra.
Onesiforosy, ohatra, dia nahavita asa maro nilaina tao amin’ny fiangonana tany Efesosy. Asa inona moa ? Tsy fantatsika, nefa tsy nohadinoin’ny Tompo. Paoly tenany mihitsy dia niresaka momba azy hoe : „namelombelona ny fanahiko matetika izy” (2 Timoty 1:16-18). Niezaka fatratra nitady ilay apostoly efa antitra nilaozan’ny olona rehetra i Onesiforosy, nitady azy tany amin’ireo tranomaizina tany Roma ka nahita azy, ary nampahery azy tao anatin’ny fitsapana nolalovany, nitondra ho azy ny fampaherezana avy amin’Andriamanitra : asa fanompoana tsy misehoseho nefa mety nahitany loza izany.
Izany dia tokony hampirisika antsika amin’ny fanaovana ireo asa ankinin’ny Tompo amintsika. Mety ho tsotra na tsy hahazoana tombontsoa ny fijery azy ireo, nefa mahasoa avokoa, ary tsy voatery hitaky fanomezam-pahasoavana miavaka na fahaiza-manao manokana, fa kosa fo feno fandavan-tena, fo mankatò, fo vonona hanompo ny Tompo any amin’izay toerana tiany.
Ny vato faran’izay kely atsipy ao anaty dobo dia miteraka onja misy akony eo amin’ny velaran’ny rano manontolo ; toy izany koa ny asa fanompoana rehetra atao ho an’ny Tompo, manomboka amin’ny vavaka. Kely manoloana an’Andriamanitra ny enti-manao ananantsika rehetra, nefa Izy dia lehibe aoka izany. Te hampiasa antsika Izy, ary tokony ho vonona hanompo isika. Afaka manao zava-dehibe amin’ny alalantsika ihany koa Izy. Ry kristiana, „tandremo ny fanompoana izay noraisinao… mba hahatanterahanao izany” (Kolosiana 4:17).