Alakamisy 20 Febroary 2025
Mahagaga ny fikotrokotrok’Andriamanitra amin’ny feony ; manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy. Fa ny orampanala baikoiny hoe : Milatsaha eny ambonin’ny tany ianao ; ary toy izany koa ny ranonorana mivatravatra… Mampiohona (Mampiato) ny tànan’ny olona rehetra Izy, mba samy hahalala izany ny olona rehetra izay nataony. Joba 37:5-7
Tsaroako ny fibitabitahanay sy ireo rahalahy sy anabaviko, raha vao nanomboka nilatsaka ny orampanala. Tsy sasatra izahay nijery ny bohabohan-dranomandry nilatsaka tsimoramora. Finaritra erỳ izahay ny ampitso, teny an-dalana nankany an-tsekoly, nikasaosaoka teny ambony ranomandry ny dian-kiraronay, nihanalefaka ny tabataban’ny tanàna, nisolo fotsy mamiratra ilay andro matromatroka ! Rehefa nanjary olon-dehibe aho, dia mbola fifaliana ho ahy hatrany ny mankafy ny taza-maso rakotra orampanala sy tarafin’ny masoandro. Araka ny nosoratan’ilay mpanoratra kanadiana, Atonie Mellet, „Ny orampanala dia manana ilay tsiambaratelo amerenany ho ao am-po, amina fofonaina tokana, ilay fifaliana tsotra toy ny an’ny zaza, fifaliana nesorin’ireo taona tao aminy tsy nisy antra”.
Ao amin’ny Baiboly, i Eliho, ilay naman’i Joba hany nahatakatra kely ny fitsapana nanjo azy, dia niresaka taminy ny maha asa tanan’Andriamanitra ny orampanala : „Manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy. Fa ny orampanala baikoiny hoe : Milatsaha eny ambonin’ny tany ianao !” (andinin-tSoratra Masina etsy ambony). Inona moa no zavatra marefo kokoa noho ny bohabohan-dranomandry ? Nefa dia mitondra ny sonian’Andriamanitra izy io. Amin’ny alalan’ireny bohaboha ireny, Andriamanitra dia mitaona antsika hitodika aminy. Izany angamba no nahafaly ahy nanoloana ny orampanala, fony aho mbola zaza. Fahatsapana manjavozavo momba Ilay Andriamanitra velona. „Ny zavatra rehetra samy nataony ho mendrika amin’ny fotoanany avy” (Mpitoriteny 3:11).
Ny ranomandry mandrakotra ny tanàna dia mahatonga azy hitara-pahazavana. Toy izany koa, rehefa manatona an’Andriamanitra aho noho ny finoana ny Tompo Jesosy, miaiky ireo fahadisoako, dia mamela ny heloko Izy. Dioviny aho ho afaka amin’izay rehetra mahamenatra ahy, ary taominy hanao fiaingana vaovao indray. Averiny ho fotsy mangatsakatsaka aho : ho fotsy noho ny orampanala (Salamo 51:7).