Alarobia 19 Febroary 2025

Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin’ny fitsaran’i Kristy, mba handraisan’ny olona rehetra izay zavatra nataon’ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy. 2 Korintiana 5:10

Aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana, amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an’i Jesosy. Hebreo 12:1-2

 

Fanapahan-kevitra mahatalanjona

Tamin’ny Lalao Olympika tany Paris tamin’ny taona 1924, dia nahazo ny medaly alimo tamin’ny hazakazaka 200 metatra ilay Skôtisy Eric Liddell (1902-1945). Andro vitsivitsy taorianan’izany dia nahazo ny medaly volamena izy tamin’ny hazakazaka 400 metatra, izay tsy taranja nanavanana azy akory, naharesy ny haingana indrindra maneran-tany : 47, 6 segondra. Izy no tompondaka ara-panatanjahantena tany Skôtia, tamin’ny androny.

Koa olona maro no naniry hahita sy hahare azy. Tamin’ny fiafarana resadresaka fanadihadiana iray natao taminy, dia hoy izy : „Zavatra iainana tsy fahita firy ny mandray anjara amina Lalao Olympika sy mahazo medaly volamena. Saingy hatramin’ny fahazazako aho dia nanopy ny masoko ho amina loka iray hafa. Isika tsirairay dia manana hazakazaka lehibe kokoa noho izay nataoko tany Paris. Mifarana ny hazakazaky ny fiainana rehefa mizara ny medaly Andriamanitra. Efa hatrizay aho no naniry ho misionera, ary vao nahare fa mahazo mifindra monina any Chine. Manomboka izao dia hampiasaiko ho amin’io asa io ny heriko manontolo.”

Gaga tsy nahateny ny rehetra. Nahafoy tena tsy hihazakazaka intsony ilay mpanao fanatanjahantena malaza indrindra tany Skôtia, mba hanjary misionera !

Naniry hanompo Ilay Andriamaniny i Liddell. Satria izy nalefany any Chine mba hitondra ny Filazantsara any, dia any no „hihazakazaka”, izany hoe hiasa ho Azy.

Ndao hihaino ny apostoly Paoly miteny hoe : „Zavatra iray loha no ataoko ; manadino izay zavatra ao aoriana, ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha ; eny, miezaka hanatratra ny marika aho, hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony, ao amin’i Kristy Jesosy” (Filipiana 3:13).

„Efa niady ny ady tsara aho ; nahatanteraka ny fihazakazahako aho ; nitahiry ny finoana aho ; hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana” (2 Timoty 4:7-8).