Talata 18 Febroary 2025
Todiho aho, ka amindrao fo, fa irery aho ka mahantra. Salamo 25:16
Nihaino ny feon’ny fifonako ihany Ianao, raha nitaraina taminao aho. Salamo 31:22
Io teny io dia nambaran’ny mpaminany Elia an’Andriamanitra. Nahatsapa tena ho irery tanteraka izy, ary nanome tsiny ireo mpiara-belona aminy, hoe : „Ny Zanak’Israely efa nahafoy ny fanekenao ; ny alitaranao noravany, ary ny mpaminaninao novonoiny tamin’ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa.” (1 Mpanjaka 19:14).
Nihevitra i Elia fa izy irery sisa no niraiki-po tamin’Andriamanitra. Nananatra azy moramora Andriamanitra, ary niteny taminy hoe : „Hamela fito arivo ao amin’ny Israely Aho, dia ny lohalika rehetra izay tsy nandohalika tamin’i Bala” (1 Mpanjaka 19:18). Misy olon’Andriamanitra hafa voaresaka ao amin’ireo toko manaraka, sahy nijoro ho vavolombelon’ny finoany koa, nampiseho amin’izany fa manomana mpanompo mahatoky Andriamanitra, na dia ao anatin’ny fotoana manjombona indrindra aza. Nampahery an’i Elia Izy, izao no votoatin’ny nolazainy azy :
— Nihataka tamin’ny vahoaka ianao, fa Izaho kosa tsy nihataka taminy. Nandà ianao, nefa mitohy ny asa. Tsy foana tsy akory ny asa nataonao.
Ry kristiana, aza kivy isika, mahita ny toetran’ny tontolo manodidina antsika, na ny tsy firaharahana na fankahalana an’Andriamanitra sy ny mpino. Aza hadinointsika ihany koa ny fahasoavana sy fahari-pon’Ilay Andriamanitsika, Izay mbola tia ny olona ary tia azy ireo mandrakariva, ka manohy ny asany. Aoka hotsarovantsika fa tsy isika irery no mijoro ho vavolombelon’ny Filazantsara, na dia mahatsapa tena ho irery aza isika, indraindray. Mbola miasa Andriamanitra mandraka ankehitriny, amin’ny alalan’ny kristiana. Anjarantsika ny mijoro, omban’ny hery omen’Andriamanitra, ho jiro mirehitra mamirapiratra etsy sy eroa mijoro mba hampahafantatra ny hazavan’Andriamanitra.