Alatsinainy 17 Febroary 2025
Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra, amin’ny fiantsoana… ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana, aloha ; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona, hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka ; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika. 1 Tesaloniana 4:16-17
Nisy mpizaha tany nitsidika orinasa iray fandrendreham-by. Nizara ho antoko roa izy ireo, ka samy nampifanaraka ny halavan’onjam-peo hifanandrify amin’ny an’ny satroka arolohan’ny mpitaridiany avy. Teo am-piandrasana ny fanombohan’ny fitsidihana, dia mbola nifangaroharo ireo antoko roa ireo, ary nandeha dia nandeha ny resaka. Tampoka teo, nilaza ny fiantombohan’ny fitsidihana tao amin’ny fanamafisam-peo ny mpitaridia iray. Niara-nirotra nanatona azy ny mpiray tarika rehetra ; fa ny sasany kosa tsy niraika tamin’izany antso izany ary nanohy niresaka ihany, satria tsy nahare izany tao amin’ny satroka arolohany.
Ny Baiboly dia milaza amintsika fa tsy ho ela dia haneno ny „fiantsoana” (andinin-tSoratra Masina androany). Io feo mahery io, ny feon’i Jesosy Kristy, iza no hahare izany ? Ireo izay fahavelony dia nihaino ny feon’ny Zanak’Andriamanitra, nandray ny hafatra mitory famindrampo sy famelan-keloka avy teo amin’ny hazofijalian’i Jesosy Kristy. Izy ireo dia mifamatotra amin’Ilay Mpamonjiny amina fomba iankinan’aina sady tsy mety levona. Mifandray amin’ny „halavan’onjam-peo”-n’ny lanitra izy ireo, ka hiara-hakarina hiala amin’ny tany ary ho eny amin’i Jesosy, ho sambatra mandrakizay.
Ary ny hafa ? Tsy nihaino ny feon’Ilay Andriamanitra fitiavana izy ireo nandritra ny fiainany, ka hijanona eo amin’izay misy azy ihany, tsy hiraika amin’io tranga io, ary hiandry ny fanamelohana mandrakizay.
Ry mpamaky malala, „halavan’onjam-peo”-n’iza no ifandraisanao ? Mitodiha am-pinoana amin’i Jesosy Kristy, ary mikambàna tsy misy hataka andro amin’ilay „antoko” tsara, satria miankina amin’izany ny hoavinao mandrakizay ! Ary isika mpino, haneno tsy ho ela io antson’ny Mpamonjintsika io ; isika ve mba efa sambatra miandry izany isanandro ? ka tsy hisy na inona na inona afaka hahamanina antsika eto amin’ity tany ity.