Alahady 16 Febroary 2025
Nony tokony ho tamin’ny ora fahasivy, dia niantso tamin’ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe : Ely, Ely, lamà sabaktany ? izany hoe : Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao ? Matio 27:46
Nandritra ny adiny telo dia rakotra haizina ny tany. Ny Mpamonjy, nafenina tsy ho hitan’ny mason’olona, dia irery miatrika Ilay Andriamanitra masina. Nony nifarana ireo ora mampihoron-koditra ireo, dia niantso tamin’ny feo mahery Izy hoe : „Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao ?”
Eny, nandritra ireo ora telo ireo Andriamanitra dia nandao ny Zanany malalany, Izay nitondra ny fahotantsika teo amin’ny tenany. Tsy afaka mandefitra amin’ny ota Andriamanitra, ka nanjera ny fahatezerany tamin’i Jesosy. Ny valin’io fanontaniana lozan-tany hoe „nahoana” io, dia ny fahamarinan’Ilay Andriamanitra masina sy ny famonjena ny olona.
Rehefa nihiaka toy izany Jesosy dia toa nanome rariny ny fahavalony. Nihantsy an’Andriamanitra mantsy izy ireo hoe : „Aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahiny Izy” (Matio 27:43). Nefa tsy nanafaka Azy Andriamanitra ; nafoiny Jesosy, na dia natoky Azy aza, toy ny hoe tsy nankasitrahiny… Ary nanambara izany miharihary Jesosy, tamin’io antsony io.
Misy mihevitra, ka tena diso, hoe io hiaka io dia manambara fisalasalana, na fikomiana amin’Andriamanitra mihitsy aza. Tsia, tsy afaka namaly Andriamanitra, nandritra ireo ora telo maizina, satria natao ozona ho antsika Jesosy Kristy ary nizaka ny fahatezeran’Andriamanitra noho ny ota.
Eny, Jesosy dia lavorary teo amin’ny fihetseham-pony tamin’Andriamanitra, na dia nandritra ireo ora mampihoron-koditra ireo aza. „Ny marina, matoky na dia mby ao amin’ny fahafatesana aza” (Ohabolana 14:32). Ho valin’izany dia noporofoin’Andriamanitra fa nekeny ny sorona nataon’i Jesosy, tamin’ny nananganany Azy ho velona indray sy nametrahany Azy teo ankavanany (Marka 16:19). Raha tsy nisy io hiaka io, dia tsy ho nahafantatra mihitsy isika hoe hatraiza ny fitiavan’ny Ray sy ny Zanaka, mba hamonjena antsika.