Asabotsy 15 Febroary 2025

Hifaly dia hifaly amin’i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin’Andriamanitro ; fa notafiany fitafiana famonjena aho, ary nakanjoiny akanjo fahamarinana. Isaia 61:10

Hohamarinina noho ny finoana isika… dia nitafy an’i Kristy. Galatiana 3:24, 27

 

Eny aminao ve ny fitafianao ?

Nisy olona ambony iraniana iray, nanasa lehilahy anglisy hisakafo any aminy, ary nampanatitra ho azy fitafiana voaravaka amboradara fitondra amina lanonana alina, araka ny fomban-tany. Tamin’ny andron’ny fanasana anefa dia tsy nanaovan’ilay Anglisy io fitafiana io, satria tsy fantany ny fombafomban-tany. Teny an-dalana izy dia nifanena tamin’ny namany iray ary niresaka taminy momba ilay fanasana.

— Tsy nanome fitafiana ho anao angaha izy ? hoy ilay namany nanontany.

— Nanome mihitsy izy ka ! saingy noheveriko fa ho mety kokoa ny fitafiana mihaja anaovako.

— Tena ho fanaovana tsinontsinona ilay olona nanasa anao ny tsy manao ny fitafiana nomeny anao !

Niverina nody tany aminy ilay lehilahy anglisy, nanarina ny fahadisoany, ka noraisina tamina fomba mendrika indrindra. Izany tantara izany dia mampahatsiahy fanoharana iray ao amin’ny Filazantsara (Matio 22:1-13) :

Nisy mpanjaka nanao fanasana fampakarambady ho an’ny zanany lahy, nefa niala tsiny tsirairay ny olona nasaina. Koa tezitra ny mpanjaka ka naniraka ny mpanompony hitondra ireo rehetra hitany eny an-dalana, mandra-pahafeno ny trano. Fepetra tokana no ahazoana miditra ao, dia ny mitafy akanjo fitondra amina fampakarambady. Izany no antony nandroahana tany ivelany lehilahy iray tsy niakanjo toy izany.

Mety hiteny angamba ianao hoe : Te hanatona an’Andriamanitra ihany aho, saingy tsy maintsy mandray ahy amin’izao maha izaho ahy izao Izy, ka tsy manova ahy. Marina tokoa, manasa anao amin’izao maha ianao anao izao Izy, nefa kosa tsy maintsy ny fitafiana atolony anao no anaovanao. Ny hoe mandray ny fitafiana, dia ny mino ny fitiavan’Andriamanitra : noho ny finoana ny sorona nataon’ny Zanany, Andriamanitra dia mamafa ny fahotantsika ary manambara fa marina isika. Andriamanitra dia masina, ka tsy afaka handray antsika ho eo anatrehany, raha tsy mahafeno io fepetra io isika. „Satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia manana fihavanana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika” (Romana 5:1).