Alahady 9 Marsa 2025

Ary niantso tamin’ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe : Raiko ô, eo an-tànanao no atolotro ny fanahiko (Salamo 31:5) ; ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy. Lioka 23:46

Ary ny kapiteny izay nijanona tandrifiny, raha nahita fa afaka toy izany ny ainy, dia nanao hoe : Marina tokoa fa Zanak’Andriamanitra io Lehilahy io. Marka 15:39

 

Ireo teny 7 teo amin’ny hazofijaliana (8)

Raiko ô, eo an-tànanao…

Talohan’ny nialany aina Jesosy dia niantso tamin’ny feo mahery. Nefa ny fahafatesan’ny olona voahombo eo amin’ny hazofijaliana dia avy amin’ny fisefoany mihena tsikelikely, ka tsy afaka miteny intsony izy. Io antso tamin’ny feo mahery io izany dia porofo fa tsy Izy voahombo teo amin’ny hazofijaliana no nahafaty an’i Jesosy. Nahim-pony no nanolorany ny ainy, nony vita ny asany.

Talanjona ilay kapiteny romana nanatrika ny zava-nitranga. Takany fa tsy olona voahombo toy ny hafa rehetra i Jesosy. Gaga ihany koa i Pilato, nahare fa efa maty sahady Jesosy.

Niantso mafy Jesosy, ary avy eo nanolotra ny fanahiny tamin’Andriamanitra Rainy. Asa maneho herin’Andriamanitra izany, satria tsy misy olona mahaisotra ny fanahiny amin’ny vatany, mba hanolotra izany an’Andriamanitra. Niala aina tamin’ny fanapahan-keviny manokana, tamina fahefana avo indrindra, Ilay Zanak’Andriamanitra. Notanterahiny tamin’izany ny nolazainy hoe : „Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin’ny Raiko” (Jaona 10:18).

Tsy nisy nikasika ny ain’i Jesosy. Izy tenany no nanolotra ny ainy, noho ny fitiavany ny tsirairay vao avy novonjeny, sy noho ny fitiavany ny Rainy (Jaona 14:31).

Ireo teny farany nataon’ny Mpamonjy ireo dia mampianatra antsika ihany koa fa samy resy ny fahafatesana sy i Satana, izay nanana ny fahefana tamin’ny fahafatesana. Mpandresy lehibe Jesosy no niditra tao amin’ny fahafatesana, sy nitsangana velona indray tamin’ny andro fahatelo. Ireo rehetra mino Azy dia hitsangana velona ihany koa, rehefa avy Izy (1 Tesaloniana 4:16).

Io fara vavaka io dia nanandratra ny fiainan’i Jesosy, Olona lavorary nanoa sy nankatò ny Rainy… Ohatra tsara indrindra ho antsika tsirairay !