Alarobia 1 Janoary 2025

Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan’Andriamanitra antsika. 1 Jaona 4:16

Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay ? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Jaona 6:68

 

Jesosy dia manome izay rehetra ilaiko

Ny Filazantsara dia filazana vaovao tsara. Ireto santionany vitsivitsy :

Ho an’ireo mitady dikan’ny fiainana, maniry hahita an’Andriamanitra, dia hoy Jesosy : „Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6).

Ho an’ireo matahotra ny any ankoatra, dia manambara Izy hoe : „Izay mino no manana fiainana mandrakizay” (Jaona 6:47).

Ho an’ireo tsy afa-po, miandrandra fahasambarana, dia mampanantena Izy hoe : „Na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy, dia tsy hangetaheta mandrakizay” (Jaona 4:14), ary koa hoe : „Izay manatona Ahy tsy mba ho noana… intsony” (Jaona 6:35).

Ho an’ireo mitsapatsapa ao anatin’ny haizin’ny aliny, dia hoy Izy : „Izaho no fahazavan’izao tontolo izao” (Jaona 8:12).

Ireo sasatry ny fiainana dia antsoiny hoe : „Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” (Matio 11:28).

Amin’ireo marefo, tsy maharo tena, dia hoy Izy : „Izaho no Mpiandry Tsara” (Jaona 10:14). Ireo izay novonjeny, ny olony, dia antsoiny hoe ondriny : „Tsy hisy handrombaka azy amin’ny tànako” (Jaona 10:28).

Ireo anisan’ny olony, izay feno tebiteby, dia omeny toky hoe : „Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo” (Jaona 14:27).

Raha mijaly izy ireo satria mahatsiaro tena ho irery, dia mampanantena Izy hoe : „Indro, Izaho momba anareo mandrakariva” (Matio 28:20).

Raha mitomany izy ireo satria namoy olo-malala, dia ampahatsahiviny hoe : „Izaho no fananganana ny maty sy fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray” (Jaona 11:25).

Jesosy dia tsy mba mandiso fanantenana na oviana na oviana.

Vavolombelon’izany koa ny ekipa miandraikitra ny fanontana ity alimanaka ity, ka maniry hizara izany aminao, amin’ny alalan’ny hafatra 365 raketiny.