Talata 31 Desambra 2024
Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho. Salamo 23:1
Fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa. Isaia 40:31
Ny saina tsy miovaova dia harovanao amin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy. Isaia 26:3
Jesosy no Andriamanitra Mpiandry ahy
Jesosy no Andriamanitra Mpiandry ahy,
Mifalia ianao, ry fanahiko !
Izy irery ihany no manafaka amin’ny loza,
Mitaky Azy ny ato anatiko manontolo !
Tsia, tsy hisy zava-mahory ahy,
Satria, endre ! fahasoavana tsy misy fetra,
Jesosy no Ilay Sakaiza, Ilay Mpiambina
Izay itokiako.
Isanandro isanandro Izy dia mitarika ahy
Ho any amin’ireo ahi-maitsony ;
Fahanany amin’ny fitiavany aho,
Eny ambanin’ny alokaloka izay Azy Andriamanitra.
Koa tsy hatahotra loza mihitsy aho
Rehefa hifarana ny diako,
Ka tsy maintsy hamakivaky
Ny lalana maizin’ilay lohasaha maloka aho.
Ny fahasoavany sy ny fitiavany hatrany
No hanaraka ahy eto an-tany ;
Nefa any an-tranony, ny zavatra rehetra
Dia ho fiadanana, voninahitra, fitiavana, hazavana !