Alatsinainy 30 Desambra 2024

Nitabataba ny firenen-tsamihafa, nikotrankotrana ny fanjakana maro… Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra ; hisandratra amin’ny firenen-tsamihafa Aho, hisandratra amin’ny tany Aho. Salamo 46:6, 10

Fantatro kosa fa hisy soa ho an’izay matahotra an’Andriamanitra. Mpitoriteny 8:12

 

Fahazoana antoka maro aoka izany ho amina fotoana tsy misy fahazoana antoka

Vetivety foana izao taonjato iainantsika izao dia nohozongozonina krizy maro mbola tsy nisy toy izany. Vao nanomboka ny taona 2001, dia namely izao tontolo izao tamin’ny fomba miavaka ny asa fampihorohoroana, ary nitoetra ela hatrany. Tamin’ny taona 2008 dia nisy krizy ara-toekarena lehibe saika nampirodana ny rindran-toekarenan’izao tontolo izao. Tamin’ny taona 2020 dia nisy valanaretina tsy noheverin’iza na iza ho mbola afaka hisy, nandripaka ny planeta. Tsy hoe vaovao tsy akory ireo zava-doza nitranga ireo, saingy nihevitra isika fa vonona hiatrika azy ireo, ary handrava sy handresy azy ireo mihitsy aza. Koa ankehitriny, aiza ho aiza isika ny amin’izany ? Iza no ho sahy hihiaka fandresena ?

Indraindray ny firenena rehetra dia ohatra ny miseho ho miray hina hanohitra ireo zava-doza lehibe mitranga. Mikofokofoka izy ireo sady mitabataba be, ary mandritra izany koa ny mpitondra eto amin’izao tontolo izao dia manamaro kabary sy fanomezan-toky. Tsy misaina lafiratsin-javatra tsy akory ny manontany hoe : Mankaiza isika ity e ?

Mbola fotoana izao hitodihana amin’Andriamanitra, Izay tsy mba tampohin’inona na inona.

Tsy misy fetra ny haranitan-tsainy na ny fitiavany. Omeny antoka izay matoky Azy, ary tsara kokoa noho izany aza, fa omeny fahazoana antoka maro, toy ny hoe :

— Notiavina aoka izany izy, ka nanao sorona ny tenany mihitsy Jesosy Kristy, hamonjeny azy.

— Tiavina izy, mihoatra noho ny fitiavan’izay ray aman-dreny tsara indrindra.

— Mbola manana hoavy izy, eto amin’izao fiainana izao, ary fanantenana fiainana tsara lavitra, indray andro any.

Eny, izay mametraka ny fitokisany amin’Ilay Andriamanitra naseho tao amin’i Jesosy Kristy dia mahafantatra fa handeha tsara ny zavatra rehetra, ho azy. Ao amina tontolo feno tsy fahazoana antoka izy dia manambara am-piadanana sy am-pankasitrahana ireo fahazoana antoka omen’Ilay Andriamaniny azy.