Alahady 29 Desambra 2024

Aza manao hoe : Ahoana no nahatsara ny andro taloha noho ny ankehitriny ? fa tsy avy amin’ny fahendrena no anontanianao izany. Mpitoriteny 7:10

 

Tsara kokoa ny teo aloha…

Mampalahelo ny fanoritsoritan’ny Baiboly ireo andro farany eto amin’izao tontolo izao (2 Timoty 3:1-5). Marina fa ny haranitan-tsain’ny olombelona dia nahafahany nitondra fanatsarana misongadina teo amina sehatra maro, nefa ihany koa manosika azy hiaina tsy misy an’Andriamanitra sy hiala kokoa hatrany amin’izay rehetra fenitra ara-toe-panahy.

Tsara sy mora kokoa ve ny fiainana taloha noho ny ankehitriny ? Izany embonembona ny andro lasa izany dia fakam-panahy maha tafalatsaka antsika haingana loatra, indraindray.

Ao amin’ny Baiboly, ny apostoly Paoly dia miresaka olona tia tena, mpiavonavona sy lozabe, ary mananatra mba handosirana azy ireny (2 Timoty 3:2-3). Araka izany dia efa nisy olona toy izany tamin’ny androny !

Nahafinaritra kokoa ve ny fiainana teo amin’ny fiarahamonina tamin’izany fotoana izany ? Vao nanomboka ireo taona voalohany nisian’ny olombelona, dia efa nipoitra ny faniriana hanjakazaka, ny fialonana ary ny famonoana olona (Genesisy 4:8).

Vitsy kokoa ve ny ady tamin’izany fotoana izany ? Nisy hatrany ny ady nandritra ny Tantara.

Tsia, raha ny tena izy dia tsy fahendrena mihitsy io embona ny lasa io, izay matetika afangaro amin’ny fahendren’ny vahoaka (andinin-tSoratra Masina androany) !

Raha ny marina, tamin’ny fotoana rehetra teo amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona dia tsy te hiraharaha an’Andriamanitra ny olona, ka tsy nitsahatra nania. Ndao hihaino ny mpaminany, miteny amintsika hoe : „Koa miverena ho amin’Izay efa niodinanareo fatratra” (Isaia 31:6). Isika ve maniry hiverina amin’Andriamanitra sy hihaino izay lazainy antsika ao amin’ny Baiboly ? Isika ve maniry hihavana aminy noho ny sorona nataon’i Jesosy Kristy ? maniry hiaina ny fiadanana omeny antsika ? (Jaona 14:27). Ho ohatra lehibe tokoa izany, ho an’ireo taranaka mandimby antsika… Lova tsara hapetraka ho azy ireo !