Alakamisy 2 Janoary 2025

Mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra. Marka 16:15

Koa ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy. Romana 10:17

 

Ireo mpanoratra ity alimanaka ity

Ianao dia anisan’ireo olona an’arivony mamaky isanandro ireo takilan’ity alimanaka ity, ary angamba manontany tena momba ireo mpanoratra azy. Izy ireo dia kristiana fiaviana, manana fironana sy taona tena samy hafa. Ny sasany tsy manambady, ary ny hafa kosa manan-tokantrano sy zanaka. Ny ankamaroany dia nobeazina tao anaty ankohonana kristiana, saingy tsy izy rehetra tsy akory. Miasa any amin’ny sehatra tsy miankina na miankina amin’ny fanjakana izy ireo, ary indraindray misy manao asa mahaleo tena, na misy koa efa misotro ronono. Zavatra iray loha no itovian’izy rehetra ireo : miaiky fa mpanota eo anatrehan’Andriamanitra, nefa mahafantatra fa voavonjy, afaka amin’ny fitsaran’Andriamanitra, satria Jesosy Kristy no Mpamonjy azy ireo. Manaiky ny Baiboly ho Tenin’Andriamanitra izy ireo, Teny hany manana fahefana eo amin’ny fiainana maha kristiana azy ireo. Izy ireo dia mino Andriamanitra tokana, Ilay Andriamanitra tia ny olona rehetra, Izay nampahafatatra ny tenany tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany, tonga tetỳ an-tany efa 2000 taona lasa izay. Mino izy ireo fa ny famonjena dia fanomezana maimaimpoana avy amin’Andriamanitra, miorina amin’ny sorona nataon’i Jesosy Kristy teo amin’ny hazofijaliana tany Golgota. Entin’izy ireo ho anao izao hafatra izao, natao ho an’ny olona tsirairay : „Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao” (Asan’ny Apostoly 16:31).

Koa nahoana izy ireo no manoratra ireo takila isanandro ireo ? Satria maniry hampahafantatra ny hafatra mahatalanjona ambaran’ny Filazantsara. Maniry koa hizara ny zavatra niarahany niaina tamin’Andriamanitra. Ny fahasamihafan’ny lahatsoratra dia maneho ny maha samihafa ireo mpanoratra azy, izay manana ny fanovozan-kevitra tokana mitovy anefa, dia ny Baiboly.