Talata 24 Desambra 2024
Nisy Magy… nanao hoe : Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan’ny Jiosy ? fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany. Matio 2:1-2
„Nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany.” Io tenin’ny magy io dia nitarika korontana tao an-tanànan’i Jerosalema manontolo, ary tao am-pon’ny mpanjaka mihitsy aza. Ny magy dia handeha hankany Betlehema, toerana tokony hahaterahan’Ilay „hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay” (Mika 5:1).
Nisy kintana niavaka teny amin’ny lanitra feno kintana, ka niainga izy ireo. „Ary indro, ilay kintana hitany teny atsinanana nialoha azy, mandra-pijanony teo ambonin’izay nitoeran’ny Zazakely. Ary nony nahita ny kintana izy, dia nifaly indrindra. Ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany ; ary nony efa nosokafany ny fitehirizan-drakiny, dia nanolotra zavatra ho Azy izy” (Matio 2:9-11).
Isika rehetra ihany koa izao no taomina hanatona an’i Jesosy, mba hitsaoka Azy. Tsy manao izany ara-batana, toy ny nataon’ny magy fahiny tsy akory isika ankehitriny, fa amin’ny famakiana ireo filazantsara. Tantara ireny, eny, nefa Soratra Masina itenenan’i Jesosy tenany mihitsy amintsika. Hitantsika ao, aseho amin’ny finoantsika, tsy ny nahaterahany fotsiny ihany, fa ny fiainany manontolo koa, ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana, ny nitsanganany velona indray. Raha hitsaoka an’i Jesosy, dia tsy maintsy mahita Azy ao amin’ireo filazantsara ho Ilay Mpamonjinao, ho Ilay Tomponao velona. Izy no mamonjy ahy ho afaka amin’ny ratsy sy ny fahafatesana, manome ahy ny fiainana mandrakizay : antony maro tokony hiankohofana eo anatrehany izany, antony mifamatotra amin’ny maha Izy Azy mahatalanjona !