Alarobia 25 Desambra 2024
Izy (ireo Magy) dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany ; ary nony efa nosokafany ny fitehirizan-drakiny, dia nanolotra zavatra ho Azy izy, dia volamena sy zava-manitra ary miora. Matio 2:11
Tonga „avy tany Atsinanana” ireo magy ary nahita an’i Jesosy Ankizy kely tao Betlehema, niaraka tamin’i Maria reniny. Nambara tamin’izy ireo fa voantso hanjaka io Ankizy io. Tsy tonga mba hitsaoka andriana izy ireo, fa hitsaoka mpanjaka. Fony vao teraka Jesosy dia efa „Mpanjaka”, ary amina fotoana ho avy dia ho „Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo” (Apokalypsy 17:14 ; 19:16).
Raha vao nahita Azy ny magy dia niankohoka, ary nahatakatra fa Jesosy dia ambony lavitra noho ny mpanjaka ; Andriamanitra tonga olona Izy : „Imanoela”, amintsika Andriamanitra (Matio 1:23). Avy eo Izy dia notoloran’izy ireo volamena sy zava-manitra ary miora.
Ny volamena dia mampahatsiaro ny voninahitr’Andriamanitra. Mendrika Ilay Ankizy kely handray ny haja tandrify ny Mpanjaka Izay Andriamanitra.
Ny zava-manitra dia tokony hatolotra an’Andriamanitra irery ihany (Eksodosy 30:37-38). Araka izany ireo magy dia nanolotra ho an’ity Ankizy ity zava-manitra kisarisarin’ny hoe, amin’Andriamanitra, ho Iza moa Jesosy eo amin’ny fiainany, ho Lehilahy tokana aman-tany ankasitrahin’Andriamanitra (Isaia 42:1). Noho ny halavorariny maro, mifandrindra tanteraka, Jesosy dia ho hanitra tsara indrindra ho tian’ny Rainy „hamboloina”.
Ny miora dia nampiasaina mba hamboarana ireo maty. Kisarisarina fijaliana sy fahafatesana izy io. Rehefa nentina hohomboana eo amin’ny hazofijaliana Jesosy dia notolorana divay miharo miora (Marka 15:23 ; jereo koa Jaona 19:39). Araka izany, nanolotra io fanomezana io ny magy, mba hanehoana mialoha izay hiaretan’i Jesosy eo amin’ny hazofijaliana, dia ny fangirifiriana mangidy hitondra ny ota, ireo fahotantsika, sady hiaritra ny fankahalana lozan-tanin’ny olombelona.
Toy ny nataon’ireo magy, dia ndao koa isika haneho fanajana Azy !