Alatsinainy 23 Desambra 2024

Ary niteraka ny Lahimatoany izy (Maria)… ka nampandriny teo amin’ny fihinanam-bilona ; fa tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny. Lioka 2:7

 

Tsy nisy toerana tao an-tranombahiny

Mba alaivontsika sary an-tsaina anie io toerana fandraisana mpivahiny io e. Ao amin’io trano fandraisam-bahiny ao an-tanàna kely io dia misy olona variana mihinana sy misotro sady miresaka momba ny asa aman-draharahany ; ny hafa indray miresaka zavatra tsy dia misy dikany, alohan’ny hatoriany. Toy izany koa ny eo amin’izao tontolo izao ankehitriny : lehilahy sy vehivavy maro no mivezivezy, misahana asa sy miady saina, nefa tsy miraharaha akory ny hahafantatra hoe sao dia manana zavatra holazaina azy ireo Andriamanitra. Tsy misy toerana handraisana an’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, tonga nanatona ny olona.

Manao ahoana kosa ny ao an-tsaintsika tsirairay ? Manana faniriana na tetik’asa ve isika ? Mangetaheta ny hanararaotra ny zavatra rehetra eo amin’ny fiainana ve ? Tsy rariny dia rariny ve izany ? Angamba isika manana faniriana lalina ihany koa : hanjary mpanankarena, hanana fahefana, hohajain’ny mpiara-belona amintsika. Raha fintinina, dia efa feno tsara ny fontsika… Mbola hisy toerana ho an’i Jesosy, Ilay Irak’Andriamanitra ve ao ?

Te hiditra an-tsehatra eo amin’ny fiainantsika Jesosy androany. Miteny amintsika Izy, angamba amin’ny alalan’ity takelaka ity, mba hanolotra antsika zavatra mihoatra lavitra noho izay rehetra ho afaka nofinofisintsika. Vinavinam-piadanana ho an’ny isanandro sy ho an’ny hoavintsika mandrakizay. Dia handà Azy ve isika ?

Ndao hiaiky fa mila Azy, nandà na tsy nahalala Azy ela loatra. Maninona moa isika raha manaiky ny sorona nataony ho porofo faratampon’ny fitiavany, ary mangataka aminy mba „hiditra ao amintsika” sy hampamirapiratra ao ny fahazavany ? Ndao hangataka azy am-pinoana ho tonga ao anatintsika mba hanazava ny faritra maizimaizina rehetra ao. Amin’izay Jesosy Kristy dia hameno ny fontsika sy ny fiainantsika.

Avelao Izy hiditra !