Alahady 22 Desambra 2024
(Hoy Jesosy :) Ao an-tranon’ny Raiko misy fonenana maro ; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho ; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. Jaona 14:2-3
Madiva handao ireo mpianany Jesosy, mba ho eo amin’ny hazofijaliana, ary hanolotra ny ainy hamonjeny azy ireo. Avy eo, rehefa mitsangana velona indray Izy, dia hiakatra any an-danitra, mba hipetraka eo ankavanan’ny Ray. Tiany ny hanomana ireo mpianany ho amin’ny fiaingany ary hanome ho azy ireo —sy ho antsika, aorianan’izy ireo- rakitra loharanon-kery tsy mety ritra, mandra-piveriny indray.
Asehony aloha fa ny hoavintsika dia ny hasambarana ao an-Tranon’ny Ray. Hiverina Izy hitondra antsika any, satria zavatra takin’ny fony ny hanana antsika eo anilany (Jaona 17:24).
Avy eo dia ampahatsahiviny ny fifandraisantsika amin’ny Ray : zanak’Andriamanitra isika, ka afaka miresaka mivantana aminy, mametraka aminy ireo fangatahantsika, amin’ny anaran’i Jesosy.
Misy loharanon-kery iray hafa ihany koa, ampanantenain’ny Tompo ho antsika mandritra ny fotoana tsy maha eo Azy : hisy endrik’Andriamanitra hisolo toerana Azy, hirahiny handray an-tanana izay mahasoa antsika, dia ny Fanahy Masina, Izay tsy vitan’ny hoe hitoetra eo amintsika fotsiny, fa ho ao anatintsika mihitsy. Ny fananana ny Mpampionona Izy tenany mihitsy, dia mihoatra noho ireo fampiononana ; fahazoana antoka izany fa tsy ho diso an’ireo mihitsy isika.
Eo ampelatanantsika ihany koa ny Tenin’Ilay Andriamanitsika. Hitarika antsika ao amin’izay vakintsika ny Fanahy Masina, hampiseho ho antsika ny hevi-dalin’izany, ary hampahafantatra antsika ireo voninahitra samihafa ananan’i Jesosy Kristy, araka ny maha Izy Azy.
Ary farany dia ampitainy amintsika koa ny fiadanany : „Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo.” Ary hoy Izy, mamarana, hoe : „Matokia”. Izao tontolo ametrahako anareo izao dia tontolo efa resiko.