Asabotsy 21 Desambra 2024

Ary ny anarany hataon’ny olona hoe Imanoela, izany hoe, raha adika : „Amintsika Andriamanitra”. Matio 1:23

(Hoy Jesosy :) Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy ; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy. Jaona 14:23

 

Amintsika Andriamanitra

Ankizy maro no tsindrian-daona miandry ny krismasy sy ny fanomezana ho azony… Izany dia mety hampahatsiaro antsika ireo mpino izay niandry ny fahatongavan’Ilay Mesia nampanantenaina, taonjato roapolo mahery lasa izay.

Ao amin’ny Baiboly dia ahitana imbetsaka ny fampanantenana ny hiavin’ny Mpamonjy. Andriamanitra dia nampanantena an’i Abrahama, tokony ho 4000 taona lasa izay, fa avy amin’ny taranany no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany (Genesisy 22:18). Nandritra ny taonjato nifanesy dia nihanazava ilay teny fampanantenana. Ny mpino dia niandry Mesia Izay ho avy amin’ny taranak’i Davida, ary tokony ho teraka any Betlehema, toa azy.

Ny taranaka nifandimby dia samy nametraka ny fanontaniana hoe : rahoviana àry no ho tonga Ilay Mesia nampanantenaina ? Hanana tombony hahita Azy ve isika ?

Nefa indray andro dia nifanojo ny tetiandron’Andriamanitra sy ny tetiandron’ny olombelona. Tamin’io andro io no teraka tany Betlehema Jesosy, 2000 taona mahery lasa izay.

Ny vaninandron’ny krismasy dia mampahatsiahy antsika amin’ny fomba tena miavaka ny nanakaikezan’Andriamanitra ny olona sy ny naniriany, tsy honina etỳ anivontsika fotsiny, fa ho ao anatintsika tsirairay mihitsy. Mandraka androany Andriamanitra dia mbola mampanantena ny mpino fa honina ao amin’izy ireo sy miaraka amin’izy ireo. Hoy Jesosy : „Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy ; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy”.

Jesosy dia tsy manery ny handraisana Azy, fa miandry antsika kosa hampandroso Azy. Raha mamoha ny varavarana hidiran’i Jesosy, dia mamela Azy hanova antsika mba hahafantarantsika samirery amin’izany ny fahazavana, ny fitiavan’Andriamanitra, ary ny hamamin’ny fanatrehany. Izany no hany fomba andraisana ny tena fitahian’Andriamanitra.