Zoma 20 Desambra 2024

Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra. 1 Petera 3:18

 

Nahoana Jesosy no tsy maintsy maty ?

„Nahoana Jesosy no tsy maintsy maty ? Andriamanitra ve tsy afaka namela heloka antsika tsotra izao fotsiny ?” Sarotra io fanontaniana matetika apetraka io. Izao ohatra manaraka izao dia mety hanampy antsika hahita valiny. Nampindramiko namana iray ny fiarako ; nibolisatra ilay fiara ary nidona tamina rindrina, ka tsy hay nampiasaina intsony. Inona no azoko hatao ? Hampandoa ny namako ny fanamboarana azy ve ? Hifampizara ny lany aminy ? Handoa ny lany rehetra ? Nefa satria tsy manana ny vola ilaina ilay namako, dia nampanamboariko ilay fiara. Namela tsotra izao ny fahadisoany aho, nanefa ny saran’ny famelan-keloka, izany hoe ny vola lany amin’ny fanamboarana. Azo lazaina hoe ny mamela heloka dia ny manefa ny saran’ny fahadisoana, fa tsy mampandoa izany an’ilay olona meloka. Izany no antony nahafatesan’i Jesosy. Izy, Izay Andriamanitra, dia tonga olona, mba handray eo amin’ny tenany, teo amin’ny hazofijaliana, ny fanamelohana sahaza ny fahotantsika. Nijaly ho antsika meloka Izy, Ilay tsy manan-tsiny, mba hitondrany antsika eo amin’Andriamanitra, rehefa nafahany tamin’izany fanamelohana izany isika. „Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy” (Romana 5:8). Tena nilaina mihitsy ny nahafatesan’i Jesosy, mba hamonjena antsika. Nahoana no tsy maintsy maty Jesosy, mba hamelan’Andriamanitra ny helotsika ? Satria nitambesatra tamintsika ny trosan’ny fahotana, nefa isika tsy afaka nanefa izany. Tsy maintsy nefaina io trosa io, ka Andriamanitra mihitsy no nanefa azy tamin’ny alalan’i Jesosy. Ny olona very, ao anaty fahoriany lalina, Dia mahita fa nofoanan’i Jesosy ny ota. Mba hanefany ny tambiny mampihoron-koditra, Dia nijaly Izy. Vita.