Alakamisy 19 Desambra 2024
Andriamanitra no aro sy hery ho antsika ; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy. Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany, na mifindra ho ao anatin’ny ranomasina aza ny tendrombohitra. Salamo 46:1-2
Tony ao anatin’ny tafiotra
Rehefa nanomboka ny valan’aretina Covid-19, dia mbola nipetra-drery tany aminy ny renibeko, izay 95 taona. Mbola salama tsara izy, mbola ary saina mandrakariva. Fantany tanteraka ny loza mitatao aminy, mbamin’ny fepetra tokony horaisina hiarovan-tena amin’izany.
Rehefa nihatra ny fihibohana, dia nihevitra aho fa hankany amin’ny zanany izy mandritra izany. Tena gaga anefa aho nilazany fa nanapa-kevitra izy hijanona ao an-tranony ihany, ary tsy nanana tebiteby.
Nambarany ahy ny fankasitrahany ny Tompo, Izay namela azy honina eo afovoan-tanàna, akaiky mpivarotra sy sampan-draharaha nilainy. Hitany ny tsy fandaozan’Andriamanitra azy, tamin’ny nahatongavana mpifanolo-bodirindrina taminy handany io vanimpotoana fihibohana io tao amin’ny tranon’izy ireo nifanila tamin’ny azy. Dia tsy nitoka-monina izy.
Ankoatra ireo zavatsoa hita maso ireo, dia nisaotra an’Andriamanitra izy noho ny fampaherezana rehetra nomen’ny alimanaka ara-Baiboly novakiny isanandro. Tao anatin’ireny vakiteny nataony ireny dia nanohina azy manokana ny andinin-tSoratra Masina voalaza etsy ambony.
Tony tanteraka izy tao anatin’ny tafiotra, nifikitra mafy tamin’ny Tompony, Izay tsy handao azy na oviana na oviana.
Mirohondrohona eo an-tongotro ny ranomasina,
Misafotofoto manodidina ahy ny rivotra,
Aoriko eo amin’i Kristy, Ilay Vatolampiko,
Ny fanantenako sy ny finoako.
Ny vatolampiko, ny manda fiarovako,
Ny fialofako mpiaro ahy,
Ny famonjena ahy amin’ny andro mahory,
Dia Jesosy, Ilay Mpanavotra !