Alarobia 18 Desambra 2024
Ento aho ho any amin’ny vatolampy izay avo ka tsy tratrako. Salamo 61:2
Vatolampin’ny foko… Andriamanitra. Salamo 73:26
Ny amin’ny Vatolampy, tanteraka ny asany. Deoteronomia 32:4
Léo dia kristiana vao tsy ela, nefa miovaova, ary indraindray manana fisalasalana. Manontany tena izy, hoe manana ilay tena finoana ve ? efa tena nibebaka ? Nahoana izy no mahatsapa ho mikorontan-tsaina sy mitebiteby androany, nefa nilamin-tsaina omaly ? Miandrandra fiadanam-po miorina tsara sy maharitra izy.
Nitsangantsangana teny amoron-dranomasina i Léo no nahita zazalahy kely nangataka hoe : „Dada a, batao aho fa ambony loatra io”. Dia nakarin’ny rainy teo ambony vatolampy iray lehibe sy mafy ilay zaza. Tonga tao an-tsain’i Léo ny salamo 61, tanisaina etsy ambony. Izy koa ve tsy ho mila olona hametraka azy eo ambony vatolampy mafy ? Inona moa no mafy orina mihoatra ny vatolampy lehibe, eo anivon’ny onjan-dranomasina misafotofoto ?
Nangatahiny Andriamanitra mba „hampiakatra” azy eo ambony vatolampy mafy izay avo loatra ka tsy tratrany, araka ny voalazan’io salamo io. Andro vitsivitsy nanaraka izany dia nahita andinin-tSoratra Masina maromaro izy, toy ny hoe : „Ny rany (ran’i Jesosy Kristy) teo amin’ny hazofijaliana no nanaovany fampihavanana” (Kolosiana 1:20). „Fa Izy (Jesosy) no fihavanantsika” (Efesiana 2:14). Tsikelikely teny dia nisolo fahazoana antoka ny fisalasalana. Fitoniana toy inona tokoa moa ny mahafantatra fa ny famonjena dia tsy miankina amin’ny ezaka ataon’ny tena, na amina fibebahana mafy, na amin’ny fitondrantena ! Ny famonjena dia miorina amin’ny asa nataon’i Jesosy, indray mandeha tsy miverina, teo amin’ny hazofijaliana. Natsapa fahasambarana i Léo namerimberina hoe : „Fa Izy no fihavanantsika !”
Raha toa mantsy ny fiadanam-ponao miankina aminao (ny ezakao, ny fandavantenanao, sns.), na kely fotsiny aza, dia hiovaova mandrakariva ny fahatsapanao. Nefa satria ny fiadanam-ponao miorina amina zavatra ivelan’ny tenanao, amin’ny asan’i Jesosy sy ny maha Izy Azy, dia mafy toy ny vatolampy io fiadanam-ponao io !