Alatsinainy 29 Janoary 2024
Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy ; fa iray ihany ianareo rehetra, ao amin’i Kristy Jesosy. Galatiana 3:28
Ary hoy Izy (Jesosy) taminy : Mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra. Marka 16:15
Tamin’ny taona 1800 tany ho any dia nisy zavatra niova tany India, any Sérampore, avaratr’i Calcutta. Tany amin’io firenena manana fomban-drazana efa an’arivo taonany io dia nisy olona avy amina karazam-pivavahana samihafa, nanjary miara-monina, mirindra tsara, miasa manatanteraka tetikasa iray, ary misy sekoly misokatra ho ana ankizy avy amina fiarahamonina samihafa…
Inona moa no nahatonga izany ? Efa taona vitsivitsy izay dia niasa tsy ankijanona ho an’ny Filazantsara i William Carey, tonga avy tany Angletera niaraka tamina ekipa misionera. Taoriana-na fanombohana tsy nahitana vokany hita maso, dia natao batisa tao amin’ny ony Hooghly, sampan’ny Gange „ony masina”, ilay mpandrafitra antsoina hoe Krishna Pal, ao amin’ny sokajin’ny mpanao asa tanana. Nanaraka izany dia pretra indiana iray no nanjary nino ; avy eo, ny zanakavavin’i Krishna Pal dia nanambady pretra indiana niova fo ho an’i Kristy, zavatra voarara ivelan’ny foko misy ny tena. Rehefa maty i Goluk, anisan’ireo voalohany niova fo tamin’ny bengalis, dia kristiana efa-dahy no nilanja ny vatam-paty (misionera roa, pretra indiana iray, ary silamo iray). Tsy ela taorianan’izany dia niisa 300 mahery ny olona vita batisa tao amin’ny misiona, ary 26 ny sekoly miteny ny fitenin’ny tompon-tany, nisy mpianatra 10 000. Farany, i Carey dia nanara-maso ny fandikana tamin’ny fiteny 34 ny Baiboly manontolo na ampahany !
Ankehitriny dia 1, 3 lavitrisa ny mponin’i India, 24 ny fiteny ofisialy, 1653 ny fitambaran’ny fiteny rehetra. An-tapitrisany ny andriamanitra ivavahana any… Nandroso ny Filazantsara, hatramin’ny nisian’ny misiona Carey, saingy mbola tsy tafiditra firy any India ny fivavahana kristiana. Na izany aza anefa, tsy isalasalana fa manana mpino tsy hita isa ao amin’io firenena io ny Tompo. Ndao hivavaka ho an’ny Filazantsara any India !
(amin’ny faran’ny volana ambony ny tohiny)