Talata 30 Janoary 2024

Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana. Hebreo 9:27

Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy. Romana 8:1

 

Indray mandeha ihany hoe no maty ?

„Indray mandeha ihany ny olona no maty, nefa mety ho maro ny anton’ny fahafatesana.” Mazava loatra izany…

Teraka eto amin’izao tontolo izao ny olona, miaina mandritra ny fe-potoana iray, avy eo dia maty, ka tsy ho velona intsony indray etỳ an-tany. Maty indray mandeha izy, ary miverina ho vovoka ny vatany. Maty izy noho ny fahanterana, ny aretina, loza tampoka, ny herisetra nihatra taminy, sns. Maro ny antony.

Ny Baiboly anefa dia miresaka antony tokana. Amin’Andriamanitra, ny anton’ny fahafatesantsika dia ny ota : „Nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra” (Romana 5:12). Ny fahafatesana eto an-tany dia ny fisarahan’ny vatana amin’ny fanahy, izay miverina amin’Andriamanitra (Mpitoriteny 12:7). Hitsangana velona indray avokoa ny maty rehetra, indray andro any ; nefa tsy amina fotoana iray, ary tsy ho amina tanjona mitovy.

— Ireo izay nino ny asan’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana dia afaka amin’ny vokatr’ireo fahadisoany, noho ny fahasoavan’Andriamanitra. Tsy ho voaheloka izy ireo, satria Jesosy efa nisolo toerana azy ireo, nizaka ny fanamelohana azy. Hitsangana velona izy ireo, rehefa hiverina Jesosy haka ny mpino rehetra ho any an-danitra. Ho any amin’Andriamanitra mandrakizay izy ireo (1 Tesaloniana 4:16-17). Amin’izay, ny fanahy dia ho tafaray indray amin’ny vatana, amina vatana vaovao, ara-panahy.

— Ny tsy mpino dia hatsangana mba hiseho eo anatrehan’ny fitsaran’Andriamanitra. Hohelohina hanalavitra mandrakizay an’Andriamanitra izy ireo : izany no zava-hisy mampivarahontsana momba ny fahafatesana faharoa.

„Fa fahafatesana no tambin’ny ota ; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika” (Romana 6:23) —Anio, raiso ny fiainana !