Alahady 28 Janoary 2024
Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra… isika izay velona… hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona, hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka ; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika. 1 Tesaloniana 4:16-17
Eny, avy faingana Aho. Amena. Avia, Jesosy Tompo ! Apokalypsy 22:20
Indray andro aho dia tonga tao amina namako. Vao tafidina ny fiara aho dia nahare antso hoe „i Ben io !”, ary nisy zazavavy kely antsoina hoe Juliette, nihazakazaka nanatona ahy, dia niantsambotra tetỳ amiko. Fandraisana moa izany ! Hafiriana izay izy no teo, niandry, efa nifaly, tsindrian-daona hahita ahy ho tonga ?
Nahafaly ny foko izany, ary nampieritreritra ahy koa…
Fantatsika fa hiverina ny Tompo Jesosy. Isika ve mba miandry azy isanandro ? Tsy izy ve no Ilay tiantsika ambonin’ny zavatra rehetra ? Nefa matetika isika dia tena mbola tsy vonona mihitsy hiantoraka eny aminy, raha mba mahita Azy izao ankehitriny izao.
Angamba ianao tsy dia akaiky Azy akory. Toa tsy dia fantatrao loatra Izy. Koa aza mangataka andro intsony, vakio ireo filazantsara, hahalalanao Azy tsara kokoa.
Nefa angamba ianao voahazona zavatra tsy voalamina eo aminao sy Izy ? Aza miandry intsony, fa manatòna Azy : tia anao fatratra Izy, ka maniry hifanakaiky aminao indray.
Sa ve ankehitriny ireo zavatra ara-karena, aminao, manan-danja kokoa noho Izy ?
Ndao hifandrisika hamaky ny Teniny, mba hahalala Azy tsara kokoa, ka haniry kokoa hatrany ny fiverenany.
„Ny Fanahy sy ny ampakarina (ny Eglizy) manao hoe : Avia ; ary aoka izay mahare hanao hoe : Avia” (Apokalypsy 22:17).