Asabotsy 27 Janoary 2024
Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany ! Lioka 8:25
Ilay mpandeha Andriamanitra
Hitanao ve irỳ sambokely marefo
Ahilangilan’ny onjan-drano ?
Mifofofofo ny rivotra, manafotra azy ny ranomasina,
Raiki-tahotra ny mpiantsambo.
Inona no hanjo ao anatin’ny tafiotra
Izay mihamaharitra sy mihamafy,
Mampitopatopa ilay sambokely tsy afa-manoatra
Ahilangilan’ny onja sy ny rivotra ?
Matory ny Mpampianatra, mandritra ilay oram-baratra.
Tsy mba hiaro azy ireo ve Izy ?
Ho rendrika ve izy ireo
Miaraka amin’Ilay mpandeha Andriamanitra ?
Henoy ny antsoantsonay ao anatin’ny fahoriana !
Dia tianao havela ho faty ve izahay e ?
Mifohaza Ianao, mihantomotra ny loza,
Faingàna Ianao hamonjy anay.
Nifoha Jesosy ka ny heriny
Dia nanaisotra ny tahotra tamina teny indraim-bava.
Hoy Izy tamin’ny rivodoza : Mangìna !
Hoy Izy tamin’ny tafiotra : Mitsahara !
Teo no ho eo ihany dia nitsahatra ny rivotra,
Nitony ny zava-drehetra ; dia hoy ny Tompo
Nanontany ny mpianany niondri-doha :
Nahoana no dia natahotra ianareo ?
„Nanony ny rivotra mahery Izy, ka nitsahatra ny onjan-drano. Dia faly ireo… ; ary nentiny ho amin’ny fitodiana niriny izy” (Salamo 107:29-30).