Zoma 26 Janoary 2024

Ary nisy lehilahy anankiray teo, izay efa narary valo amby telopolo taona. Raha nahita azy mandry Jesosy ka nahalala fa efa toy izany ela izy, dia hoy Izy taminy : Te ho sitrana va ianao ?… Hoy Jesosy taminy : Mitsangàna, ento ny fandrianao, ka mandehana. Jaona 5:5-8

 

Fanontanian’i Jesosy : Te ho sitrana va ianao ? (2)

Tany Jerosalema Jesosy, teo akaikina dobo iray nisy „marary maro, ny jamba, ny mandringa, ny maty ila” niandry fanasitranana. Ary teo Izy dia nahita lehilahy iray very tao anaty vahoaka, nangina, nalemy efa ho 38 taona, tsy afaka miroboka ao anaty rano mba ho sitrana. Hoy Jesosy nanontany azy : „Te ho sitrana va ianao ?”

Fanontaniana mahagaga, raha jerena voalohany ! Isika ve tsy te ho sitrana amin’izay mampahalemy antsika ? Nefa raha avelantsika hikasika antsika io fanontanian’i Jesosy io, dia mety ho tsapantsika ny fahazarana na fihetsika sasantsasany mampahalemy antsika, nefa sarotra ialana amintsika. Taomin’io fanontaniana io isika tena handinika marina ny ao anatintsika.

Nanakoako tahaka taraina feno hakiviana ny valitenin’ilay lehilahy malemy, valiny nanindrona fo : „Tsy mba misy olona handroboka ahy”. Tsy hainy atao ny hanatratra ny toeram-panasitranana mba hiroboka voalohany ao anatin’ny dobo. Jesosy, Izay manana ny hery hamaly mivantana ny finoany, dia niteny taminy hoe : „Mitsangàna, ento ny fandrianao, ka mandehana”.

Tsy nilaina ny niroboka tao anatin’ny dobo. Nino an’i Jesosy ralehilahy ity. Nandry izy, nefa dia nitsangana, nandeha, nibata ny fandriany : fijoroana ho vavolombelon’ny fahasitranany tanteraka. Ny finoana dia mankatò ny tenin’i Jesosy, na izay ohatra ny tsy hay tanterahina aza.

Raha ketraka isika androany, tsy manan-kery, kivy, noho ny fahadisoantsika na tsia, dia miteny amintsika Jesosy, ao amin’ny alahelontsika anaty, hoe : „Te ho sitrana va ianao ?” Dia hanjary toeram-panafahana ny toeram-pijaliantsika, noho ny fanatrehan’i Jesosy, Izay tia antsika. Ndao handray am-pinoana an’i Jesosy sy ny hafatra ampitainy, izay manasitrana antsika.