Alakamisy 25 Janoary 2024

Aza manahy na inona na inona ; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy. Filipiana 4:6-7

 

Mivavaka

— Andriamanitra na oviana na oviana dia tsy lavitra anao mihoatra noho ny elanelana vavaka. (Charles B. Hodge)

— Ny hoe mivavaka dia miresaka malalaka amin’Andriamanitra, toy ny zanaka manoloana ny rainy, sy miteny am-pangovitana masina, toy ny olona mety maty miatrika an’Andriamanitra. (Adolph Monod)

— Ny mpino dia tsy mivavaka mba hampahafantatra an’Andriamanitra zavatra ho tsy fantany, na mba hanosika Azy hanao ny adidiny, na mba hanery Azy satria toa tsy marisika Izy. Mifanohitra amin’izany aza, fa matoa izy ireo mivavaka, dia satria mitady Azy, mba hahatsiaro ireo fampanantenany, mba handray fampiononana eo amin’ny fanatrehany, noho ny tebitebin’izy ireo ; raha lazaina indraim-bava, dia hoe mba hanambara fa avy amin’Andriamanitra irery no anantenany sy iandrasany izay rehetra zavatsoa, na ho azy ireo na ho an’ny hafa. (Jean Calvin)

— Ny fisaorana dia tokony hanana toerana lehibe aoka izany ao amin’ny vavaka ataontsika, satria mialoha ny asa rehetra ataontsika ny hatsarampon’Andriamanitra. (Charles de Fou-cauld)

— Ny hoe mivavaka dia mamoha varavarana ny Tompo Jesosy, Izay mandondòna mba hiditra eo amin’ny fiainantsika sy hampisitraka antsika ny fanatrehany. Tsy mitaky hery betsaka ny mamoha varavarana Azy : ampy ny maniry hanao izany. Tiantsika ve ny hamela Azy hiditra ? hamela Azy hiasa eo amin’ny fiainantsika. (O.K. Hallesby)

— Mora kokoa ny zava-drehetra, rehefa mivavaka. (tenin’ankizy iray)

— Ny vavaka dia manome hery sy manokatra ny varavarana. Tsy manokatra ny varavaran’ny efitranokelin-tranomaizina izy, nefa kosa manokatra ny fon’ireo ao anatiny. Fitaovam-piadiana tena mahery vaika ! (Gerhard Hamm, evanjelista rosiana, voafonja tany amin’ny toby fanagadrana any Siberia)

— „Mivavaha, ka aza mitsahatra”. (1 Tesaloniana 5:17)