Alarobia 24 Janoary 2024

(Hoy Jesosy :) Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra ; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy ; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko, ho fiainan’izao tontolo izao… Koa maro tamin’ny mpianany, nony nandre, dia nanao hoe : Sarotra izany teny izany, iza no mahahaino izany ? Jaona 6:51, 60

 

Rehefa misy andinin-tSoratra Masina manafintohina antsika

„Te hanao solomaso i Tom kely. Nihevitra izy fa izany dia hanome lanja azy toy ny rainy, izay mpandraharaha. Nentina tany amina mpitsabo maso izy, hamaky taratasy iray, hahafantarana hoe inona ireo litera hitany.

— Hitako tsara ireo litera voalohany H, L, D, hoy izy, fa tsy voavakiko ireo manaraka S, A, K.

Izany tantara mampihomehy izany dia maneho ireo fahalementsika. Rehefa mamaky ny Baiboly isika, dia kinga erỳ manaiky izay mifanaraka amin’ny hevitsika, nefa sahirana kokoa hanaiky izay mifanohitra amin’ny eritreritsika sy mampiseho ireo fahotantsika” (Richard Wurmbrand).

Raha mamaky ny Baiboly isika ka te hampilaza azy izay heverintsika, dia tsy tena mamaky azy marina. Raha tsy mamaky ampahany sasantsasany isika, satria manakiana antsika ireo, dia manao toy ilay zazalahy milaza ho tsy mahavaky litera sasantsasany.

Fihetsika toy izany dia maha dify antsika amin’izay tian’Andriamanitra holazaina antsika mba hanovany antsika. Nefa ireo sombiny manelingelina antsika indrindra aza angamba no tena ilaintsika !

Marina fa ny teny sasany ao amin’ny Baiboly dia mety hanafintohina na hampihozongozona antsika, toy ny nahazo mpianatr’i Jesosy maro, nanjary niteny hoe : „Sarotra izany teny izany”. Inona no navalin’i Jesosy azy ireo ? „Ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana” (Jaona 6:63).

Aleo manatona an’i Jesosy, milaza aminy izay manafintohina antsika, mangataka ny fanampiany, toy izay miala aminy, tahaka ny nataon’ireo mpianatra ireo. Hamaly antsika Izy.