Talata 23 Janoary 2024

Jehovah mahatsiaro ka mitahy antsika… Hotahiny izay matahotra an’i Jehovah, na ny kely na ny lehibe. Salamo 115:12-13

 

Izaho hitahy azy ireo

Tamin’ny taona 1979, Gabriel Barkay mpahay vakoka sy ny mpiara-miasa aminy dia nahita horonamboky kely volafotsy roa tao anaty-na lavabato fandevenana, teo akaikin’ny tanàna tranainin’i Jerosalema. Tamin’ny taona 2004, taoriana-na fandinihana voatandrina fatratra, dia nisy manampahaizana nanamafy fa soratra ara-Baiboly ireo, sady ireo no tranainy indrindra amin’ny rehetra hita hatramin’izao. Izy ireo dia mirakitra ilay tsodrano telo sosona nasain’Andriamanitra nolazain’i Mosesy tamin’ny vahoakany hoe : „Hitahy anao anie Jehovah, ka hiaro anao ; hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah, ka hamindra fo aminao ; hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah, ka hanome anao fiadanana” (Nomery 6:24-26).

Ireo horonamboky roa ireo dia nilevina tokony ho 600 taona talohan’i Jesosy Kristy, ary hita 2500 taona tatỳ aoriana. Tsy mampihetsi-po ve ny mahafantatra hoe ny ampahana Baiboly tranainy indrindra hita hatramin’izao dia milaza ny fanirian’Andriamanitra hitahy sy hanasoa antsika ?

Ankehitriny dia mbola io Andriamanitra io hatrany no miteny amintsika, ary tsy niova Izy : mbola te hanasoa antsika hatrany Izy. Tsy isika no afaka mitahy, fa Andriamanitra. Ry kristiana namana, amin’ny alalan’ny vavaka no hahatonga antsika ho fantsona mba hangataka ny hitahian’Andriamanitra ireo olona atolotsika Azy.

Inona ireo fitahiana afaka irintsika ho an’ny hafa ? Ny firoboroboana ara-karena ve ? toy ny tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha. Izany dia ho manadino ny maha mponin’ny lanitra antsika (Filipiana 3:20). Ny fitahiana kristiana dia mifamatotra amin’i Kristy : ny fiadanana, ny fifaliana, ny fahalalana ny sitrapon’Andriamanitra, ny faniriana hanaraka an’i Jesosy, ny fahasambarana noho ny maha vavolombelony, ny hery hanompoana Azy, ny fanantenana hiaraka aminy tsy ho ela.