Alatsinainy 22 Janoary 2024
Inona moa ny ainareo ? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia levona. Jakoba 4:14
Fa asany (asan’Andriamanitra) isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy. Efesiana 2:10
Miaina tsy manana lasa na tsy manana fahatsinjovana ny hoavy : tsy karazana zava-doza ve izany, ho an’ny olona ? Nahoana aho no teraka ? Aiza no halehako, ary mandra-pahoviana ? Inona no ho tafajanona momba ahy, aorianan’ny fahafatesako ? Fanontaniana maro toy izany no mandalo ao an-tsaintsika, raha mbola tsy hitantsika ihany koa ny anton’ny fiainantsika !
Manantena andro mbola hahavelomana tsy ara-biolojika fotsiny ihany, mila mametraka dindo maharitra mihoatra noho ireo andro mbola havelomana ireo, mila mitahiry zavatra tsy eo intsony : tena toetran’ny zanak’olombelona mihitsy izany ! Ao amin’ny siansa, filôzôfia, zavakanto, ary literatiora, ohatra, dia miezaka ny olona hahita fialofana, valiny, fitoniana…
Nefa inona no lazain’Ilay namorona antsika, momba izany ? Iza moa, mihoatra noho Ilay Mpahary antsika, no afaka manome dikany, lanjany, ary tanjona ho an’ny fiainantsika ? Ambaran’ny Teniny antsika ny antony mampisy antsika eto an-tany. Tsy vokatry ny kisendrasendra na tsy nampoizina ny fisiantsika etỳ, fa nirina, notadiavina. Talohan’ny nahariana antsika tsirairay, dia efa fantatr’Andriamanitra sy notiaviny isika. Anontanio Izy ! Noho Izy sy ho Azy no nahateraka anao. Davida mpanjaka dia niteny tamin’Andriamanitra hoe : „Hidera Anao aho, fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy ; mahagaga ny asanao ; ary fantatry ny fanahiko marimarina izany” (Salamo 139:14).
Koa inona àry ilay tanjona napetrak’Andriamanitra ho an’ny fiainantsika ? Ny hampahafantatra antsika ny fitiavany sy hanomana antsika hiaraka aminy ho mandrakizay. Ho amin’izany no nanirahany ny Zanany, dia Jesosy Kristy, Ilay Mpamonjy.