Alahady 21 Janoary 2024

Fa Ilay natao ambany kely noho ny anjely no hitantsika, dia Jesosy, ary noho ny fitondrany ny fahafatesana dia voasatroka voninahitra aman-daza Izy, mba hanandrana fahafatesana hamonjy ny olona rehetra, noho ny fahasoavan’Andriamanitra. Hebreo 2:9

Izay mirehareha, aoka Jehovah no ho reharehany. 1 Korintiana 1:31

 

Inona moa ny olona ? (2)

Mametraka io fanontaniana io ny Baiboly, ary mamaly izany : „Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny ratsantànanao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, inona moa ny olona no ahatsiarovanao azy ? Ary ny zanak’olombelona, no amangianao azy ?” (Salamo 8:3-4). Ilay Andriamanitra Mpahary izao tontolo rehetra midadasika izao ve dia hikarakara ahy, izay voary marefo aoka izany sy tsinontsinona ? Ary mbola hafahafa kokoa aza ny tohin’io Teny io, hoe : „Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana. Efa nampanjakainao amin’ny asan’ny tànanao izy ; ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin’ny tongony” (and 5-6).

Olona manapaka ny tontolo rehetra… fa iza loatra àry izy ?

Mamaly izany ny Filazantsara : Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, Izay nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. Amin’ny maha olona Azy, Zanak’olona, dia ambany noho ny anjely Izy, mba ho afaka ho faty sy hitondra ny famaizana sahaza ireo fahotantsika. Naharesy ny fahafatesana Izy, teo amin’ny hazofijaliana. Natsangana velona indray Izy ary nampiakarina any an-danitra, izay itoerany ankehitriny, araka ny maha olona sady Andriamanitra Azy. Jesosy Kristy „Izay eo amin’ny tànana ankavanan’Andriamanitra ; fa efa lasa ho any an-danitra Izy ka efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery” (1 Petera 3:22). Mbola tsy hitantsika mampihatra ny fahefany anefa Jesosy, eto an-tany. Ankehitriny dia i Satana no „andrianan’izao tontolo izao” (Jaona 12:31), noho ny ota manandevo ny olona. Fa Jesosy kosa dia efa naharesy azy, ary hiverina tsy ho ela mba handray an-tanana ny fanapahana izao tontolo izao ; ka hampanekena Azy tokoa ny zava-drehetra.

Ny mpino nitoky amin’i Jesosy dia mahafantatra fa tafaray aminy ka hiara-manana aminy ny voninahiny, indray andro any.