Asabotsy 20 Janoary 2024
Jehovah ô, inona ny olona, no iahianao azy ? Salamo 144:3
Indro, tsinontsinona aho, ka inona no azoko avaly Anao ? Joba 40:4
„Ny olona dia zozoro ihany, ny mora folaka indrindra amin’ny zavaboary ; saingy zozoro misaina”. Io fihevitr’i Blaise Pascal io dia mampahatsiahy hoe hatraiza ny olona no bitika, osa ary marefo, miohatra amin’ny tontolo rehetra midadasika manodidina azy. Ary rehefa mitroatra ny herin’ny voary, rehefa tojo zava-tsarotra isika —fitsapana, aretina, fijaliana, fahafatesana… — dia aiza no hahita vonjy ?
Ao amin’ny Baiboly dia imbetsaka i Davida mpanjaka no nilaza ny fahoriana tsapany manoloana ny herin’ny fahavalony. Joba kosa dia niharana andiana fitsapana tsy dia fahita. Ny manaitra dia izy roa lahy samy nitodika tamin’Andriamanitra, mba hahatakatra izay tiany hampianarina azy ireo amin’izany. Nanontany an’Andriamanitra i Joba hoe : „Inona moa ny zanak’olombelona, no ekenao ho lehibe, ka ampandinihanao azy ny fonao, sady fantarinao isa-maraina izy sy izahanao toetra isaky ny indray mipy maso ?” (Joba 7:17-18). Tena tsapan’i Joba mafy ny hakeliny manoloana an’Andriamanitra. Nefa nandray lesona lehibe izy nandritra ireo fitsapana nisedra azy : izy ve tsy nojeren’Ilay Andriamanitra lehibe, Andriamanitry ny lanitra, sy nokarakarainy ? Lesona tokony hianarantsika sy hotanantsika ihany koa izany. Ndao hibanjina Azy mba hahalala Azy, tsy amin’ny maha Mpahary tsitoha Azy ihany, fa koa amin’ny maha Andriamanitra Mpamonjy nanafaka antsika Azy. Te hiresaka amintsika Izy, te hampiditra antsika ao amina fifandraisana tena izy mahatonga hifampizara aminy, ary te hampianatra antsika mandritra ny fiainantsika eto an-tany. Tahaka Ray mikarakara ny zanany.
(rahampitso ny tohiny sady farany)