Zoma 19 Janoary 2024

Ary ireo mpianatra roa lahy ireo, rehefa nandre azy niteny, dia nanaraka an’i Jesosy. Ary Jesosy nitodika ka nahita azy manaraka, dia nanao taminy hoe : Inona no tadiavinareo ? Ary hoy izy roa lahy taminy : Raby (izay atao hoe, raha adika, Mpampianatra ô), aiza Ianao no mitoetra ? Hoy Izy taminy : Avia, fa ho hitanareo. Jaona 1:37-39

 

Fanontanian’i Jesosy : Inona no tadiavinareo ? (1)

Rehefa mamaky ireo filazantsara isika dia mahamarika fa matetika Jesosy no mametra-panontaniana. Anisan’ireny ny teniny voalohany indrindra ao amin’ny Filazantsara araka an’i Jaona, hoe : „Inona no tadiavinareo ?” Ao amin’io filazantsara io manontolo, Jesosy dia manontany izay miresaka aminy, na mpianatra na tsia.

Nanao izany Izy mba hitarika azy ireo hieritreritra, mba hanazava ny fanirian’izy ireo, hanaboraka ny lainga, ary hampipoitra ny marina. Ny fanontanian’i Jesosy dia mamotika izay manarona ireo fitsarantsika an-tendrony, mandefa hazavana tsy ampoizina eo amin’ny antony manosika antsika sy ny faniriantsika miafina indrindra. Ao amin’izao andiam-panontanian’i Jesosy izao isika tsirairay dia hihaino vitsivitsy amin’ireny, ary hanaiky hohadinina.

„Inona no tadiavinareo ?” Io angamba no fanontaniana fototra indrindra mitoetra ao anatintsika ao… Nametraka azy io Jesosy tamina mpianatra roa lahy nanaraka Azy. Angamba Izy nanontany azy ireo izay tao an-tsainy, ny antony nanarahany Azy rehefa nandre Azy niteny. Tarihin’ny fanontanian’i Jesosy koa isika handinika momba izay tena irintsika rehefa manaraka Azy.

Ireo mpianatra roa lahy ireo dia te hahafantatra izay nipetrahany, angamba mba ho afaka miverina manontany Azy, ka hahalala Azy tsara kokoa. Nandray azy ireo Jesosy, namaly hoe : „Avia, fa ho hitanareo”. Ny hoe manatona an’i Jesosy dia mino Azy, mino fa tia antsika Izy. Dia ny mahita Azy no vokatr’izany. Rehefa manatona an’i Jesosy isika dia mazava ny zavatra rehetra. Izany no toetran’ny finoana, izay manokatra ho antsika fahatsinjovana mahatalanjona. Izany no hitan-dry Andrea, Simona Petera, Filipo ary Natanaela, izay nahita an’i Kristy hoe Ilay Zanak’Andriamanitra, rehefa nanatona Azy (Jaona 1:40-50).

(tohiny isaky ny herinandro 11 manaraka)