Alakamisy 18 Janoary 2024

Indro, ny tenin’i Jehovah dia nolaviny, ka inona intsony no fahendrena ananany ? Jeremia 8:9

(Hoy Jesosy :) Ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana. Jaona 6:63

 

Ny Baiboly ve, lisitra fitsipika sa Teny velona ?

Ao amin’ny bokin’i Isaia dia omen’Andriamanitra tsiny ny olony noho ny fihetsik’izy ireo manoloana ny Teniny. Ho azy ireo, io Teny io dia tokony ho sarobidy „ao am-pony” (Deoteronomia 6:6). Nefa dia nanjary fahazarana mahasorena, nanjary fitambarana fitsipika sy torolalana tsy misy ifandraisany intsony amin’ny fikasan’Ilay Andriamanitra niteny am-pitiavana tamin’izy ireo (Isaia 28:13).

Tena mampalahelo ny mahita ireo olona ireo, nanova toy izany ny tenin’Andriamanitra ! Nanova io Teny io ho fehezam-pitsipika miharoharo amina fomban-drazana, ka izay mahaliana azy ireo ihany no notanany, „kely etỳ, ary kely erỳ…” (Isaia 28:10). Jesosy dia nanome tsiny ny lohandohan’ny mpitondra fivavahana hoe : „Mandoa ny fahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komina ianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin’ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana” (Matio 23:23). Manaja tanteraka ny antsipiriany sasantsasany ao amin’ny Lalàna izy ireo, nefa tsy mihevitra mihitsy ny tanjon’ireo ampahany ireo akory.

Ry kristiana, ahoana ny fandraisantsika ny Baiboly, ny Tenin’Ilay Andriamanitsika ? Raha manalavitra Azy mantsy isika, raha mamaky tsy mihevitra akory ny Teniny, fa toy ny „manatontosa maimaika” fotsiny adidy ara-pivavahana, tsy ho ela io Teny io dia ho toa „didy anampy didy, fitsipika anampy fitsipika” (Isaia 28:13), tsy hisy tsirony intsony, ary tsy hiasa ao amin’ny fiainantsika.

Fa raha mamaky azy am-bavaka kosa isika, amina fo marina sy mahitsy, ary mangataka Ilay nampanoratra azy mba haneho ny tenany amintsika, dia ho afaka hiaina isanandro ny niainan’ny mpanao ny Salamo 119 hoe : „Ny teninao no mamelona ahy”. Ary ho afaka hiteny toa an’i Jeremia hoe : „Ny teninao no fifaliako sy firavoravoan’ny foko” (Jeremia 15:16).