Alarobia 17 Janoary 2024

Niakatra hatramin’ny lanitra ny olona, ary nidina hatramin’ny lalina ; ny fanahiny levona noho ny fahoriana… very ny sainy rehetra… Dia nitaraina tamin’i Jehovah ireo, raha ory, ka nampiala azy tamin’ny fahatereny Izy. Salamo 107:26-28

 

Andriamatoa Tsy misy

Ilay evanjelista italiana Dapozzo (1905-1974) dia niasa teny amina sambo, tao anaty toejavatra tandindomin-doza. Alohan’ny hanombohany ny tontolo androny izy dia mametraka ny tenany sy ny namany ho eo ambany fiarovan’Ilay Andriamaniny. Nefa io maraina io, dia nisy tovolahy iray nanatona sady nitsikanikany :

— Iza no miresaka an’Andriamanitra eto ? Tsy misy izany Andriamanitra izany !

Dia nosokafany be ny lobany, ka nahatazanana teny tokana vita tombo-kavatsa teo amin’ny tratrany, hoe : „TSY MISY”.

Somary gaga i Dapozzo, ary namaly hoe :

— Mandainga ianao ! Ao anatin’io fo asehonao ahy io, ary heverinao hanizingizinana fa tsy misy na inona na inona, dia, voalohany indrindra, misy ny fitiavan’ny reninao, faharoa, ny fatahorana ny fahafatesana, fahatelo, ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Ireo zavatra telo ireo dia ao anatin’ny fonao, na tianao na tsy tianao. Fa hoy kosa ilay tovolahy namaly :

— Tsy marina izany, tsy atahorako na Andriamanitra na ny fahafatesana !

Hoy i Dapozzo namintina :

— Vao haingana ianao no teto… Tsy ho ela dia ho avy ny fotoana hahitantsika raha tsy matahotra ny fahafatesana tokoa ianao !

Ny ampitso, vao nanomboka nihetsika ny sambo, no latsaka tany anaty rano Andriamatoa „Tsy misy”. Tazan’i Dapozzo avy eny ambony izy, nikofokofoka sady niantsoantso. Tsy mahay milomano izy. Nitsoraka tany anaty rano i Dapozzo, ary rehefa niezaka mafy, dia nahatondra azy teny amin’ny morona. Velona izy… Notenenin’i Dapozzo tampoka izy hoe : Matahotra ny fahafatesana ianao e ? Eny, hoy izy, tezitra mafy. Fa ianao, inona no ao anatin’ny fonao ?

— Jesosy Kristy ! hoy ny valiny teo no ho eo ihany.

Rehefa namaky ny Baiboly io tovolahy babangoana fo io, dia niova fo ; nanomboka hatreo dia nonina tao anatin’io fo io Jesosy Kristy.