Talata 16 Janoary 2024

Rain’ny kamboty sy Mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra, ao amin’ny fonenany masina. Andriamanitra mampitoetra an-trano izay irery tena ; mamoaka ny mpifatotra ho amin’ny fanambinana Izy. Salamo 68:5-6

Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’Andriamanitra isika. 1 Jaona 3:2

 

Tsy manana ankohonana sa eo anivo-na ankohonana ?

„Tsy manana ankohonana” dia boky tantara foronina, milazalaza ny fahoriana zazalahy kely mahantra antsoina hoe Rémi, izay nasafotofoton’ny fiainana. Tsara fiafara ilay tantara, satria hahita ny fianakaviany indray izy, ary hanorina tokantrano mihitsy aza. Ny mpanoratra io tantara foronina io dia mbola hanoratra tantara iray hafa, hampitondrainy ny lohateny hoe „Eo anivo-na ankohonana”.

Ny Baiboly dia manome lanja lehibe ny fianakaviana. Vao manomboka any amin’ireo pejy voalohany, Andriamanitra dia namorona ny lehilahy sy ny vehivavy, mba hanjary mpivady tafaray izy ireo. Aorianan’izany isika dia mamaky ny tantara-na fianakaviana maro, ao anatin’ny fifaliany sy miaina ny finoany an’Andriamanitra ; nefa ihany koa ao anatin’ny fahoriany, ny harefony, ny fifanolanana eo amin’ny mpivady, ny fifanandrinan’ny zanaka, ireny fihetsika mampalahelo rehetra ireny, mifamatotra amin’ny toetran’ny zanak’olombelona, nanomboka tamin’ny tsy nankatoavan’i Adama sy Eva…

Ianao angamba tsy mba niaina mihitsy ny hafanana eo amina fianakaviana. Mba ho naniry koa ianao hanana dada, neny, vady, zanaka… Ho naniry ho sambatra tsotra izao. Nefa tsy izany no zava-misy, fa mahatsiaro tena ho irery ianao, voafatotry ny „anjara” tsy nosafidinao, ka mahatsiaro ho mangaina. Angamba ihany koa potika ny tokantranonao, ka nanjary tena irery ianao, mahatsapa nenina, fahamelohana, fangidiana…

Raha mahatsiaro tena ho voasoritsoritra araka izany ianao, dia afaka miaina ny fidiran’Andriamanitra an-tsehatra eo amin’ny fiainanao. Te hampahafantatra ny tenany aminao Izy, hoe Ilay Andriamanitra Mpamonjy. Ilay Andriamanitra tia, mamela heloka, manasitrana ny ratra. Ilay Andriamanitra te hanjary Rainao, lavorary sy tsitoha ; te hanangana anao ho ao amin’ny ankohonany. Manatòna Azy amin’ny vavaka.