Alatsinainy 15 Janoary 2024

Hoy Jesosy taminy : Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo ? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray ; koa ahoana no anaovanareo hoe : Asehoy anay ny Ray ? Jaona 14:9

Koa amin’izany, satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia manana fihavanana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Romana 5:1

 

Naniry aho ho mendrika ny fankasitrahan’Andriamanitra

„Izaho dia niofana ho fizisiana. Fony tanora aho dia nangetaheta ny fahamarinana, ny fahamarinana momba ny tontolo noarìna, nefa tsy nahita valin’ireo fanontaniana lalina napetrako tamiko hoe : „Iza moa aho ?”, „Inona ny atao hoe mitia ?” Fahadisoam-panantenana ara-pitiavana no nahatonga ahy nanontany tena ny amin’Andriamanitra. Ahoana no hifandraisako aminy ? Izaho dia nino Andriamanitra Mpahary, tsitoha, lalin-tsaina, saingy lavitra ahy. Rehefa namerina namaky ireo filazantsara aho, dia nanaitra ahy ny tenin’i Jesosy hoe : „Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray”. Takatro tamin’izany fa Jesosy no endrik’Ilay Andriamanitra tonga nofo, hita maso, ara-tantara.

Nahare resaka momba ny Fanahy Masina aho, tany amina lasy-na tanora. Dia hoy aho anakampo : „Hay izany no fifandraisan’Ilay Andriamanitra lavitra ahy amin’ity foko banga fitiavana sy feno tebiteby”. Ny harivan’io aho dia nangataka an’Andriamanitra mba hiditra ato anatiko. Tsy natory aho io alina io, saingy nahatsapa kosa avy eo fa nanana fiadanana, fahatoniana, fitsaharana mahatalanjona, mbola tsy fantatro mihitsy hatrizay. Io fiadanana io no famantarana fa tonga tato am-poko ny Tompo.

Nitombo miandalana ny fahalalako an’Andriamanitra ho Ray. Niaina toa mpikatsaka ny lavorary mantsy aho… ary te ho mendrika ny fankasitrahan’Andriamanitra. Saingy hitako fa Jesosy no maneho ny Ray amiko. Nasehony ahy Andriamanitra hoe Andriamanitra fahasoavana, mifanohitra amin’ny fitakiana zava-bita. Dia nianatra tsikelikely aho hiasa, tsy hoe ho mendrika ny fahasoavana tsy akory, fa hiainga amin’ny fanekena ny fanatrehan’Andriamanitra sy ny fitiavany, izay samy eo : eo anivon’ireo asako, eo am-piandohany, ary eo am-piafarany. Fomba hafa anehoana ny fisiako izany, fomba fiaina hafa.”

Paul Hemes