Alahady 14 Janoary 2024
Tonga tany amin’ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy. Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany. Jaona 1:11-12
Tonga tany aminy Jesosy, teo anivon’ny Israely vahoakany. Taonjato maro talohan’izany Izy dia efa nambara mialoha ho Mpanjaka, ho Ilay Mesia. Vao teraka anefa Izy dia efa tsy noraisin’ny Jiosy sy ny olona amin’ny ankapobeny. Ny fiainany masina mantsy, ny fanetrentenany, ny teny feno fahasoavana nambarany, marina sy mahitsy, ny fanatrehany mihitsy aza, dia nifanohitra tamin’ny asa ratsin’ireo mpiara-belona taminy. Tokony ho faly izy ireo nahare ny vaovao tsara naelin’i Jesosy, nefa dia nanosika ny Romana nanjanaka ny firenena mba hamono Azy ho faty toa olon-dratsy. Ary tsy vitan’ny hoe nailik’izy ireo Ilay tonga tam-pitiavana avy any an-danitra mba hiaina teo anivony, fa nohomboan’izy ireo koa teo amina hazofijaliana, rehefa avy notsiratsirainy.
Ilay manana fahefana tsy misy fetra ve, Izay nanao fahagagana maro aoka izany, tsy ho afaka niaro tena sy nandringana ireo izay nisambotra Azy ? Tena afaka tokoa moa ! Nefa Jesosy dia nanaiky hohomboana teo amin’ny hazofijaliana, satria nahafantatra fa tsy maintsy hisolo toerana antsika, hizaka ny famaizan’Andriamanitra. Amin’izay Andriamanitra dia ho afaka mamindra fo, mamela heloka ny olona izay mibebaka, ary manao azy ho zanany. Jesosy dia tsy noraisin’ny vahoakany. Nefa „izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra”, sady nisitraka ny vokatra mahatretrika aterak’izany fifandraisana amin’ny Ray izany. „Endrey ! Manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra” (1 Jaona 3:1).
Toy ny zaza vao teraka, izay voasoratra avy hatrany ao amin’ny sora-piankohonan’ny tanàna nahaterahany, dia voarakitra any an-danitra ao amin’ny „Bokin’ny fiainana” ny fifandraisana vaovao mampiray ny mpino amin’Ilay Rainy any an-danitra. Efa voasoratra ao amin’io boky io ve ny anaranao ?