Asabotsy 13 Janoary 2024
Ary nifoha marainalina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany. Marka 1:35
Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko ; maraina no hivavahako aminao, ka hanandrandra aho. Salamo 5:3
Ndao anie, rehefa mamaky ireo filazantsara, mba hihevitra ny tontolo andron’i Jesosy, izay tena feno dia feno ! Indraindray dia marobe ny vahoaka nanodidina Azy, hany ka sarotra ny nanatona Azy. Nefa ny andinin-tSoratra Masina androany dia mampiseho amintsika fa Izy dia nanomboka irery, ary amin’ny vavaka, ny tontolo androny. Talohan’ny nifidianany ireo apostoliny aza, dia nivavaka alina iray manontolo Izy (Lioka 6:12).
Hoy i Davida mpanjaka : „Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko”. Vao nifoha izy dia nitodika tamin’ny Tompo, mba hiresaka aminy. Niresaka tamin’Andriamanitra izy, fa tsy tamin’olona. Dia hoy koa izy hoe : „Maraina no hivavahako aminao, ka hanandrandra aho”. Vao manomboka ny tontolo androny izy dia niomana fatratra tamin’ny vavaka, ary niandry tam-pinoana.
Ahoana no anombohantsika ny tontolo androntsika ? Mandray ny zavatra araka izay fisehony ve, ka tsy niomana tamin’izany akory, tsy niresaka izany tamin’Andriamanitra ?
Tsia, ndao aloha hanandratra ny feontsika amin’Andriamanitra, amin’ny vavaka. Ambarao aminy izay ilaintsika, ary arosoy Azy ireo fanapahan-kevitra horaisina. Avy eo, toa an’i Davida, dia afaka miandry am-pinoana isika, ary miatrika ny tontolo andro, vonona tsara, matoky ny fikarakaran’ny Tompo.
Tamin’izaho nanomboka ny asa aman-draharahako, dia nisy orinasa mavitrika be, nivarotra kojakojam-piarakodia, tandrifin’ny biraoko. Eo amin’ny vavahady fidirana dia nisy teny filamatra hoe : „Ny 95%-n’ny fahombiazana dia miankina amin’ny fanomanana”. Noraisiko ho ahy io teny filamatra io, nandritra ireo taona niasako. Nefa zava-dehibe koa izany, eo amin’ny fiainam-pinoana ! Ndao hanomboka ny andro rehetra amina fotoana ifampizarana amin’ny Tompo, hihaino Azy amin’ny alalan’ny Teniny, ary hivavaka aminy.