Zoma 12 Janoary 2024
Jehovah dia ao amin’ny tempoliny masina ; mangìna eo anatrehany, ry tany rehetra ! Habakoka 2:20
Mangìna eo anatrehan’i Jehovah Tompo ! Fa efa antomotra ny andron’i Jehovah. Zefania 1:7
Iray amin’ny zava-tsy nampoizina nateraky ny fihibohana, ho ana mponina maro an-tanàn-dehibe, dia ny nahitana ny hoe fanginana, na dia ao afovoan-tanàna maresaka indrindra aza. Nahay nihaino io fanginana io ve isika ?
Ilaina ny fanginana, mba hamahana olana sarotra, hiraketana fahatsiarovana ao an-tsaina, hitodihana amin’ny hoavy, hieritreretana, hamoronan-javatra. Ahoana tokoa moa no handrenesana olona iray miteny amintsika, raha tsy mangina isika ? Mosesy dia nangataka tamin’ny vahoaka notarihiny hoe : „Mangìna ka mihainoa, ry Isiraely ô… Koa henoy ny feon’i Jehovah Andriamanitrao, ary araho ny didiny sy ny lalànany” (Deoteronomia 27:9, 10).
Mba hihainoana an’Andriamanitra, dia ndao hikatsaka ny fanginana etỳ ivelany, amin’ireo fotoana mety indrindra eo amin’ny tontolo andro. Jesosy dia nampirisika ny hitokanana mba hivavaka : „Midira ao amin’ny efitranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin’ny Rainao” (Matio 6:6). Ndao koa hangina ao anatintsika ao. Ny eritreritsika, ny faminavinantsika, ny saintsika tsy mitsahatra miasa, dia samy tokony ho vonona hihaino ny feon’Andriamanitra, tokony hitandrina izany. Raha mba tsapantsika mantsy ny halehiben’Ilay Andriamanitsika sy ny fahendreny ! dia tena hihaino Azy tsara isika.
Ary haintsika tsara ny mitodika amin’Andriamanitra rehefa tapi-dalan-kaleha ; fa mba vonona kosa ve isika hihaino Azy, rehefa milamina ny zavatra rehetra ?
Amin’ny ankapobeny, tsy dia tadiavina loatra Andriamanitra, ary mainka koa aza, tsy henoina. Indray andro any, rehefa hitsara izao tontolo izao Izy, dia hampangina ny zava-drehetra, toy ny nampiatoany ny asa aman-draharahan’izao tontolo izao tamin’ny alalana tsimok’aretina bitika iray. Dia hangina avokoa ny vava rehetra, amin’izay. Androany Izy miteny amintsika am-pitiavana, mba mangina ve isika hihaino Azy ?