Alakamisy 11 Janoary 2024
Sa hamavoinao ny harenan’ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka ? Romana 2:4
Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy. Lioka 15:20
— Alimanaka ara-baiboly ! Hay, misaotra, fa tena marary ny vadiko, ao ; hanova ny zavatra eritreretiny ity. Raha izaho indray, tsy mikasika ahy ity, hoy ity lehilahy iray.
Herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, tany am-pandevenana io lehilahy io aho dia afaka niresaka tamin’ny vadiny, momba ny famakiany ilay alimanaka. Tapaka lalandra tampoka ilay lehilahy ; mba afaka niresaka tamin’Andriamanitra ve ?
Tsy io lehilahy io irery no mamaly toy izany. Mampametra-panontaniana antsika ireo toejavatra manetriketrika ireo. Tsy hadalana ve ny manemotra ny fiheverana izay hoavin’ny fanahintsika aorianan’ny fahafatesan’ny vatana ? Fanaovana tsirambina ? sa tsy firaharahana maha meloka ?
Ny hafatry ny Baiboly dia te hisarika ny saintsika hijery izay zava-dehibe eo amin’ny fiainana ; lehibe, ary maika aza, satria „anio no andro famonjena” (2 Korintiana 6:2). Rentsika amin’ny alalan’ny Baiboly ny feon’Andriamanitra. Ity alimanaka ity dia maniry hampita ny hafatra entiny.
Andriamanitra dia fitiavana. Te hiteny amin’ny fon’ny olona tsirairay Izy. Ndao hihaino am-pahatsorana ny feony. Avelao hikasika antsika ny fahasoavany, toy ny hazavana tonga eo amintsika rehefa miposaka ny masoandro, ka manenika antsika.
Naratran’ny fiainana ve ianao ? Te hanasitrana ny ratranao sy hampionona anao Andriamanitra. Izy no Ilay „Andriamanitry ny fampiononana rehetra”. Fantany ny zavatra rehetra, ny fangidiana ao am-ponao sy ny zava-manahirana anao, ka hoy Izy aminao : „Mankanesa atỳ amiko”.
Nitodi-damosina an’Andriamanitra ve ianao ? Miandry anao Izy, mitily ny fotoana hiverenanao aminy.
Ny teny maivana hoe „Tsia, misaotra !” dia afaka soloina teny an-kitsimpo hoe : „Misaotra, ry Jesosy Tompo”… raha toa ianao manatona Azy amin’izao maha ianao anao izao. Dia hameno ny fonao ny fiadanany. Homba anao isanandro Jesosy, hiaraka aminao mandrakizay.