Alarobia 10 Janoary 2024

Ary tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory, ary tsy mbola mihatra ny taona izay hanaovanao hoe : Tsy sitrako izao. Mpitoriteny 12:1

Indro, ankehitriny no andro famonjena. 2 Korintiana 6:2

 

Fotoana voarefy

Angamba isika efa nilalao fitaovana kely misy fasika, natao handrefesana fotoana, ka variana mahita ny fasika milatsaka tsikelikely, mitovy firaraka. Toy izany koa ny fikorianan’ny fiainantsika. Tsy vitantsika ny mampijanona ny fotoana, izay mandalo tsy miato.

Andriamanitra no nanome antsika ny aina. Ny habetsaky ny fasika ao anatin’ilay fitaovana kely dia maneho ny faharetan’ny fiainana eto an-tany. Fotoana voafetra. Firy sisa ny andro hiainantsika tsirairay ? Rehefa niraraka avokoa ny fasika, dia tsy havadika intsony ilay fitaovana. Izany hoe tsy mamela antsika hamerina indray ny fiainantsika ny any ankoatra. Tsy misy androm-pahavelomana faharoa. Maty ny olona rehetra, satria samy nanota teo anatrehan’Andriamanitra. Tsy maintsy hifanatrika aminy ny tsirairay : amin’ny maha Mpitsara Azy, na amin’ny maha Mpamonjy Azy.

Tsy antsika ny ampitso. Hoy ny Baiboly : „Miomàna hihaona amin’Andriamanitrao” (Amosa 4:12). Aza avela handalo ny fotoana, aoka isika ho vonona. Hoy Andriamanitra : „Anio, raha hihaino ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo” (Hebreo 4:7). Tia anao Andriamanitra. Tonga Jesosy mba hanolotra ny tenany sy hanefa ny saran’ireo fahadisoantsika. Antsoin’ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fitiavan’i Jesosy Kristy Zanany ianao anio, mba hanome valinteny Azy. Ary ianao irery ihany no afaka manome izany : „Efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana, ary ny fitahiana sy ny fanozonana ; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao” (Deoteronomia 30:19).

Safidy tena maika io. Ho zava-doza ny vokatry ny fandàvana na tsy firaharahana. „Solon’i Kristy izahay, ka mangataka indrindra aminareo hoe : mihavàna amin’Andriamanitra anie ianareo” (2 Korintiana 5:20).