Talata 9 Janoary 2024

(Hoy Jesosy :) Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna ; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. Apokalypsy 3:20

 

Mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna

Holman Hunt, mpanakanto anglisy iray, dia nanao sary hosodoko malaza hoe : „Ny fahazavan’izao tontolo izao”. Hita eo Jesosy, mandondòna eo amin’ny varavarana trano iray. Ny trano dia maneho ny fiainantsika, ary ny varavarana dia maneho ny fontsika. Manoloana ny varavarana dia misy ahi-dratsy sy tsilo ary ahi-mandady maniry. Miharihary fa tsy nivoha efa hatry ny ela ilay varavarana manoloana an’i Kristy. Angamba mihidy amin’ny fanalahidy ? Olona marobe no nanidy ny fony. Mihidy noho ny aretina iray, na tsy fahombiazana iray. Mihidy satria nandao ahy ilay olon-tiako. Mihidy satria toa manampin-tsofina tsy mihaino ny vavaka ataoko Andriamanitra. Mihidy satria, raha zohina, dia metimety kokoa ny miaina tsy misy an’Andriamanitra.

Inona ireo antony manakana antsika tsy hamoha varavarana an’i Jesosy ? Rehefa mamantatra azy ireo, dia efa manodina sahady ilay lakile, manomboka mamaha ny varavarana.

Eo amin’ilay hosodoko dia misy antsipirian-javatra iray hafa manaitra antsika. Tsy misy famahana varavarana avy eo ivelany. Avy ao anatiny ny famahana azy. Izany hoe avy atỳ amintsika. Izany no ataon’i Jesosy amintsika tsirairay. Mandondòna eo amin’ny varavaran’ny fontsika Izy. Miseho eo amin’ny fiainantsika izany, amin’ny fomba maro samihafa : voary manodidina, fihaonana iray, zava-mitranga mahafaly na mampalahelo, na koa andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Baiboly, fijoroana ho vavolombelona…

Raha mandre ny feon’i Jesosy isika, dia aoka ho vonona hiteny aminy hoe : „Avia, ry Tompo, mitoera ato amiko.” Dia hataony izany.

(araka an’i R.L. Giran)