Alatsinainy 8 Janoary 2024

Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin’ny maizina ; fa ny maizina tsy nandray azy… Tao ny tena Mazava, Izay mahazava ny olona rehetra, tonga amin’izao tontolo izao. Jaona 1:5, 9

(Hoy Jesosy :) Izaho no fahazavan’izao tontolo izao ; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina. Jaona 8:12

 

Fahazavana tokoa ve ?

Ahoana no hanazavana ny fipoiran’ny atoma ao anaty tontolo babangoana ? Ahoana no hahatakarana io zava-mahagaga antsoina hoe aina io ? Ahoana no hifehezana ny antsipiriany rehetra amin’ny firafitra mahatalanjon’ny vatan’olombelona ? Tampina ny fisainantsika, manoloana ireny zava-miafina ireny. Ary ahoana no hanekena ny fisian’ny ratsy, izay melohin’ny rehetra… nefa ataon’ny rehetra ihany, na betsaka na kely ? Ahoana no hahatakarana fa ny olombelona dia voaviravira mandrakariva eo anelanelan’ny tsara indrindra sy ny ratsy indrindra, sady afaka manao ny iray no afaka manao ny iray koa ? Tsy mahataka-davitra ny fahalalantsika, ka tsy ahafahantsika mahita mangirana ny amin’izany.

Marina fa fitaovana mahatalanjona nomen’Andriamanitra antsika ny saintsika… mba hampiasaintsika amin’ny tokony ho izy. Nefa dia ampiasaintsika mba hiezahana manilika an’Andriamanitra. Hadalana ! Tokony hahafaka antsika ny ihamboantsika ho fahalalantsika, nefa dia vao mainka nanandevo. Io fahalalana io dia nahafahana nitondra fivoarana tsy azo odian-tsy hita, eo amin’ny fiarahamonina, saingy nanome ho an’ny olona ny toerana tokony ho an’Andriamanitra. Ary raha mihevitra ny tenany ho Andriamanitra ny olona, na izay tsara indrindra ataony aza dia simban’ny fitiavantenany, ny avonavony, simban’ny hasiaham-po sy fifanoherana ao anatiny. Vokatr’izany, io fandrosoana io dia tsy nanakana ady tsy mitsaha-mitombo isa, fiainam-pianakaviana feno korontana, faha irery lehibe toy ny fitaovam-pifandraisana noheverina hampitsahatra izany… Ny lohantsika no hitsahintsika ! Nihevi-tena ho hendry isika, kanjo lasa adala… (Romana 1:22).

Nefa mbola misy fanantenana ihany. Jesosy dia maneho ny tenany ho Ilay fahazavan’izao tontolo izao. Andrasany ny olona tsirairay hanatona Azy amin’ny finoana, mba hohazavainy ny fo sy sainy, ary mba homeny azy ny fiainana mandrakizay… Ny olona tsirairay !