Alahady 7 Janoary 2024
Miderà an’i Jehovah, miantsoa ny anarany… Mihirà ho Azy, mankalazà Azy ; saintsaino ny fahagagana rehetra ataony. Salamo 105:1-2
Aoka hofenoina ny Fanahy [ianareo]… mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an’ny Tompo. Efesiana 5:18-19
Eo Andriamanitra
Mihirà ho an’ny Tompo, Izy no loharanon’aina.
Tsy misy fetra ny heriny, ary tsy hita noanoa ny asany.
Nanome antsika fo sy saina Izy,
Manodidina antsika ny fanatrehany, mihirà !
Tsara ny Tompo ! Eo Andriamanitra, tena eo tokoa,
Akaiky kokoa noho izay iheverana azy.
Mamelombelona antsika ny hatsarampony,
Ary manafaka antsika ny fahasoavany.
Eo Andriamanitra, tena eo tokoa,
Izy Izay misy ary nisy,
Dia tsy hiova mandrakizay, eo Andriamanitra !
Niseho tava Andriamanitra no niteny tamintsika,
Ao amin’i Jesosy, ny tsirairay dia afaka mamaky toy ny mamaky boky mivelatra.
Izy no manasitrana, ary manova ny fo,
Izy no mahita ireo izay osa indrindra, Izy no maty ho an’ny mpanota.
Tsy misy toy ny teo aloha, raha miara-miaina amin’i Jesosy ianao,
Vaovao avokoa ny zavatra rehetra, ny lasa tsy miverina intsony.
Mivoha ny lanitra ary hitanao ny tarany,
Satria miova ny zavatra rehetra tarafin’Ilay manome toky antsika hoe :
Eo Aho, tena eo tokoa,
Akaiky dia akaiky anao.
Mamelombelona anao ny hatsarampoko,
Ary manafaka anao ny fahasoavako.
Eo aho, tena eo tokoa,
Izaho Izay misy ary nisy,
Dia tsy hiova mandrakizay. Eo Aho !
Hoy Jesosy : „Indro, Izaho momba anareo mandrakariva” (Matio 28:20).