Asabotsy 6 Janoary 2024
Hoy Izy (Jesosy) taminy : Inona no voasoratra ao amin’ny lalàna ? Manao ahoana no famakinao azy ? Lioka 10:26
Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy. Jaona 5:39
Jesosy no nametraka izany fanontaniana izany tamina mpahay lalàna iray, izany hoe manampahaizana manokana momba ny Testamenta Taloha, ilay fizarana voalohany ao amin’ny Baiboly. Jesosy tsy nanontany hoe „Inona no vakinao ?”, fa hoe „Ahoana no famakinao azy ?” Marobe mantsy ny olona namaky ny Baiboly ary mbola mamaky izany, saingy matetika tsy araka ny tokony ho izy. Ndao hametraka ny fanontaniana hoe : Ahoana no famakiko ny Baiboly ?
— Toy ny boky ara-pivavahana ve ? mametraka fitsipi-pitondrantena kristiana tokony harahina ?
— Toy ny boky tantara ve ? manome fampahalalana sarobidy momba ny lasa ?
— Toy ny boky ara-tsiansa ve ? Tsy izany velively izy. Nefa kosa tsy manohitra ny siansa, satria tsy tanjony ny hitondra valin’ny olana ara-tsiansa.
— Toy ny famaky sanganasa momba ny haisoratra ve ? ka higaga amin’ny fomba nanoratana azy.
Samy misy mahaliana ireo fomba famaky ireo, nefa ambinambiny ihany. Ny Baiboly dia ilay boky mirakitra ny Tenin’Andriamanitra, ny hafatra avy amin’Ilay Andriamanitra tia ny voariny, ary te hanana fifandraisana marina aminy.
Vakio amin’izany maha hafatra avy amin’Andriamanitra azy izany ny Baiboly, dia hampahazava ny ao anatinao, mba hampiseho aminao hoe iza moa ianao eo anatrehany, nefa tsy hitady hamalifaly anao. Ho hitanao ao amin’ireo filazantsara fa Jesosy no fanehoana lavorary ny fitiavan’Andriamanitra… tonga hatramin’ny fahafatesana teo amin’ny hazofijaliana, ho an’ny fahavalony. Raha mino io hafatra fototra momba ny fitiavan’Andriamanitra io ianao, dia ho namaky ny Baiboly araka izay fomba tokony hamakiana azy !